Zava-doza no niseho ny alatsinainy lasa teo, tao an-tampon-tananan’i Soavinandriana. Zazakely iray, tokony ho 3 taona teo ho eo no namoy ny ainy, rehefa nohitsahin’ny omby teo am-povoan-tsena, iray hafa naratra mafy. Andro tsena io alatsinainy io tao an-drenivohitr’Itasy tao, ary mazava ho azy fa marobe ireo olona nifanaretsaka. Marobe ihany koa ireo mpivarotra ary toy ny fifandaminana rehetra amin’ny tsena dia saika efa voazarazara araka ny zavatra amidiny avy ny faritra ivarotana. Tokony ho tamin’ny iray ora tolakandro teo anefa no velona ny saritaka. Andian’omby marobe no nirodorodo sy nanavatsava teo am-povoan’ny olona marobe niantsena. Araka ny fitantarana mponina tany an-toerana dia angamba tafavoaka tany amin’ny faritra nisy ny tsenan’omby tany ireto biby marobe ireto na hoe diso lalana ireo mpandroaka ka lasa nanivaka teo an-tsena. Nikoropaka noho izany ireo mpiantsena vokatr’ity zavatra tsy nampoizina ity ka raikitra teo ny fifanjevoana. Tetsy andanin’izay anefa, nentanin’ny fifanjevoan’ireo olona maro ireto biby ka dia natahotra sy nirodorodo tsy voafehin’ireo mpandroaka intsony. Tamin’izay fotoana izay no nisy ankizikely iray sy ramatoa nitrotro zaza iray voadoan’ireo omby. Naratra mafy ary torana noho ny fianjerany ilay ankizikely, araka ny voalazan’ireo nanatri-maso hatrany. Nianjera torak’izany ihany koa ilay ramatoa ary dia nipitika teny an-trotroany ny zanany, izay tokony ho telo taona ho eo, ary nilatsaka teo am-povoan’ireo omby nitroatra ireo. Voahitsakitsakin’ireto biby marobe araka izany ity zaza ity. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana namonjy sy nanesotra ity zaza ity tao anatin’ireo omby. Zaza izay efa naratra mafy tokoa ary efa nalemilemy aok’izany. Nivoaka rà ny masony, ny orony ary ny vavany raha ny vaovao hatrany. Nentina avy hatrany teny amin’ny toeram-pitsaboana saingy indrisy fa tsy avotra intsony ny ainy araka ny vaovao voaray tany an-toerana hatrany. Efa nisy ny fepetra noraisin’ireo tompon’andraikitra mahakasika ireto biby nihoatra vala ireto sy ny tompony ary ireo mpandroaka, raha ny vaovao hatrany. Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ihany koa ilay renin’ilay zaza namoy ny ainy sy ilay ankizy voadonan’ny omby.
m.L