- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversSoavinandriana : Zazavavy kely handeha hatsaka voaolana

Soavinandriana : Zazavavy kely handeha hatsaka voaolana

Nofinganiny ity ankizivavy kely, notriariny ny akanjony ary nampiharany ny filan-dratsiny nony avy teo. Tranga miendrika sarimihetsika ho an’olon-dehibe no niseho tany an-drenivohitr’Itasy tao, tokony ho telo volana lasa izay. Nifampitadiavana ity lehilahy mpanolana ity taorian’io.

Asa raha inona loatra no tao an-tsain’ity lehilahy iray ity, tao Andrangy, kaominina ambonivohitra Soavinandriana Itasy ? Raha iny izy nifanena tamin’ ankizivavy kely vao 11 taona, handeha hantsaka rano iny mantsy ny tenany no nitsiry tampoka tao an-tsainy ny hanolana izany ankizy izany. Somary nihataka kely ny anao lahy, avy nofinganiny avy hatrany ilay ankizivavy. Raha vao nianjera dia notolominy, ary tsy namelany raha tsy nanaiky azy. Potika tanteraka mihitsy ilay ankizivavy kely vao navelany, araka ny fampitam-baovao azo avy tamin’ny pôlisy, rehefa vita ihany koa ny sitrapony. Nanomboka teo ny fikarohana ilay lehilahy, izay voalaza fa nisy nahita. Nandray an-tànana ny raharaha avy hatrany ireo pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Soavinandriana. Telo volana taty aorian’ilay trangana fanolanana no voasambotra ny lehilahy; izay niaiky tanteraka ny heloka nataony. Natolotra ny Fampanoavana moa izy ary naiditra am-ponja vonjimaika, miandry ny fotoam-pitsarana azy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici