- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversSofia - Basikety : Lasan’ny ekipan’Antsohihy ny amboaran’ny Governora

Sofia – Basikety : Lasan’ny ekipan’Antsohihy ny amboaran’ny Governora

Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny lalao ara-panatanjahan-tena basikety fiadiana ny amboaran’ny Governora tao amin’ny faritra Sofia, izay nokarakarain’ny faritra niaraka tamin’ny ligim-paritry ny basikety Sofia ary ny kilioba AJSM. Ny ekipan’ny Us Force Antsohihy no voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy lehilahy, rehefa nandresy ny MLM tamin’ny isa 57 noho 30. Ny Mamami Antsohihy kosa no nandrombaka izany teo amin’ny sokajy vehivavy rehefa nanamontsana ny Cool Club tamin’ny isa 36 noho 29. Nanatrika ity lalao famaranana ity ny solombavambahoaka voafidy tao Antsohihy sy Analalava, ny talen’ny kabinetra ny governoran’ny faritra Sofia, ny ben’ny tanàna voafidy tao an-toerana ary ny solon-tenan’ny ligim-paritrin’ny basikety. Notolorana amboara, medaly ary nomena fanamiana sy baolina basikety moa ny mpandresy. Hitohy hatrany ny hetsika fampandrosoana ny fanatanjahan-tena ao amin’ny faritra Sofia sady mba ho tosika ho an’ireo tanora manan-talenta ho reharehan’ny faritra.

Ankoatra izay, miroso hatrany amin’ny fampandrosoana ny sehatry ny fanatanjahan-tena ny fitondram-panjakana izay tarihin’i governoran’ny faritra Sofia. Nasiam-panamboarana sy nasiana jiro  mazava « led cobra 200 watts » lehibe miisa dimy mantsy ny kianja filalaovana basikety hahafahana manao fanazaran-tena sy mandray lalao goavana. Faly ireo tanora fa indrindra ny mpilalao ao amin’ny faritra Sofia tamin’ny fanomezana goavana noraisiny.

Manjato Razafy

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici