- Publicité -
jeudi, juillet 17, 2025
AccueilFaits-DiversSofia-Basikety : Norombahin’ny DKS Boriziny ny amboaran’ny AJSM

Sofia-Basikety : Norombahin’ny DKS Boriziny ny amboaran’ny AJSM

Nangotraka ny lalao ara-panatanjahantena, taranja basikety norakarakarain’ny “Antsohihy Jeune Sportif Milay” (AJSM) tao Antsohihy, Sofia nandritra ny roa heriandro. Lalao izay nifanandrinan’ireo ekipa samihafa avy ao amin’ny distrika ao amin’ny faritra. Nandrintra ny lalao famarananana ny alahady lasa teo dia nomontsanin’ny ekipan’ny DKS Boriziny tamin’ny isa 63 noho 49 ry zareo avy ao Antsohihy. Ireo mpilalao notarihin’i Djaffar Karim araka izany no nibata ny amboara. Tsy vitan’izany ihany fa mbola tompandaka ihany koa ny ekipa teo amin’ny sokajy vehivavy. Nanome voninahitra ny lalao ny ben’ny tanànan’Antsohihy, Nasiry Ali. Ity farany no nanolotra ny amboara ho an’ny DKS vehivavy raha toa ka Asmany Masolahy kosa no nanolotra izany ho an’ny lehilahy. Ankilany, tsy nody maina ireo mpilalao nisongadina fa nahazo loka isan-karazany avy amin’ireo orinasa mpanohana ny lalao. Ankoatra izany, hohatsaraina ny kianja Bruce ao Antsohihy. Betsaka tokoa mantsy ireo tanora no liana amin’ity taranja ity ao an-toerana saingy tsy hita loatra izany noho ny tsy fahampian’ny tosika. Nandritra ny niatrehan’ny governoran’ny faritra Sofia, Jeneraly Lylyson René de Rolland, ny lalao ny sabotsy lasa teo dia nanararaotra nitondra izay maharary azy ireo teo anatrehany ireto tanora ireto. “Tsy mba nisy mpiahy sy mpanampy hatrizay izahay ka mahatsiaro tena ho kamboty, tsy manana raiamandreny hitarainana. Mangataka izahay ny amin’ny tokony hanatsarana ny kianja toy ny fametrahana jiro mba ahafahana mandray na manohy lalao ary koa manao fanazaran-tena na dia alina aza.”, hoy hatrany izy ireo. Tsy nisalasala moa ny Governora fa namaly avy hatrany ny hetahetan’izy ireo. Nambarany fa “horaisina an-tanana ny fanatsarana ny kianja. Vonona ihany koa ny tenako hanohana anareo tanora reharehan’ny faritra Sofia . Aleoko mahita tanora miaramivondrona amin’ny fanaovana ny fanatanjahantena toy izay mivarilavo na manao zava-dratsy ».

Manjato Razafy

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici