Telo lahy no saron’ny mpitandro ny filaminana nitondra rongony roa gony sy milanja 14 kilao tao amin’ny fokontany Ambohimahavelona, Kaominina Mampikony, disitrikan’Antsohihy, faritra Sofia, ny alarobia lasa teo tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany maraina. Araka ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro ny filaminana, fampitam-baovao avy tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafan’izy ireo nanao ny fisamborana. Voalaza fa saika hapetraka sy amidy tao amin’ity disitrika ity, ireo rongony ireo, izao sarona izao. Nanao ny fisamborana avy hatrany ny Zandary rehetra izay notrihan’ny Kaomandan’ny borigady ao Mampikony sady nanao ny famotorana sy ny fanadihadiana. Natolotra ny fampanoavana avy hatrany ireto mpivarotra sy mpifoka rongony ireto.
Ratantely
Faritra avaratry ny Nosy iny
Trano 257 hotohoton’ny afo
Trano miisa 257 indray no hotohoton’ny afo. Tao ny hain-trano vokatry ny herinaratra nosintonina tamin’ny «Plaque Solaire» tsy voafehy. Ny fokontany Anivorano , disitrikan’ i Sambava no nisehoan’io hain-trano voalohany io, tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany folakandro, ny asabotsy teo. Misy ireo fianakaviana tsy manan-kialofana ankehitriny noho ny voina nanjo. Voalaza fa mitentina 677400 000 Ariary ny tomban-bidin’ny zavatra may. Tao koa ny hain-trano nataon’ny ankizy tamin’ny bozaka noho hetraketraka fotsiny izao. Tao amin’ny fokontany sy Kaominina ary Boriborintany Dzamazar – Nosy be, no nisehoan’izany, ny asabotsy lasa teo tamin’ny 4 ora folakandro. Lsa nitsoaka moa ireo ankizy nandoro ny trano ary dia ny fokonolona no niezaka namono ny afo araka izay tratrany teo. May niaraka tamin’izany koa ny fiara iray marika «Peugeot 306» sy ny kodiaran’ny fiara dimy hafa. Ny Zandary avy ao Dzamandzar no misahana ny famotorana ankehitriny. Ary farany, tao koa ny haintrano nahazo ny trano miisa 250, mitafo bozaka avokoa, ary voalaza araka ny tatitra fa vokatry ny afo tsy fantatra no nahatonga izany. Nisehoana hain-trano koa ny tao amin’ny fokontany Farara, Kaominina Kalandy, disitrikan’ i Mandritsara, faritra Sofia ny asabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny folo ora maraina. Vokatr’izany, lasa traboina ny olona miisa 1400, satria dia tsy manan-kialofana. Tsy nisy kosa ny maty ary tsy nisy ny naratra tamin’ireo tranga ireo, araka ny fampitam-baovao voarainay. Ny Zandary avy ao amin’ny borigadin’ i Mandritsara no misahana ny fanadihadiana.
Ratantely