Mitaky tsy misy hataka andro amin’ny handefasana haingana ao Mangily Ifaty Toliara, an’ireo sokatra 151 avy any Frantsa, tonga tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 26 aogositra teo, izay ngiazan’olon-tsotra tsy manana taratasy ara-panjakana ao an-tranony eto Antananarivo, efa ho herinandro, ny fikambanana miaro ny tontolo iainana ASE Toliara sy SOPTOM Frantsa. Ny tanànan’ny sokatra (Station d’Observation et de Sauvegarde des Tortues) ao Mangily Ifaty ihany, hoy ny “Association pour la Sauvegarde de l’Environnement”, no hany toerana fanaovana « mise en quarantaine » ara-dalàna eto Madagasikara ao anatin’ny velaran-tany 39 ha, izay ala voa-janahary ikolokoloana an’ireto biby tratra na naondrana, misy sakafo voajanaharin’ireo sokatra, misy trano fitsaboana sy mpikarakara sakafo.
Kolikoly avo lenta. « Izahay ASE eto Toliara no nanao fangatahana tamin’ny governemanta frantsay hampodiana an’ ireo sokatra 151 eto an-tanindrazana, ka ahoana no giazan’olon-tsotra tsy manana taratasy ara-panjakana ny harem-pirenena, noho ny kolikoly sy fanamparam-pahefana ataona tompon’andraikitra ambony ao amin’ny minisiteran’ny ala sy ny tontolo iainana, izay tsy namela an’ireo sokatra nandeha fiaramanidina ho aty Toliara », hoy ny Pr Daniel Kotonirina Ramampiherika, filohan’ny fikambanana, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly. Efa indroa nampody sokatra avy any ivelany ny ASE, fa tsy nisy olana toy izao. Sokatra 200 avy any Mayotte ny 11 janoary 2008. 400 avy any Malaisie ny 23 oktobra 2011. Manahy noho izany ny fikambanana amin’ny mety hanodinana indray an’ ireto harem-pirenena ireto, noho ny fisian’ny mpanao « dramotse », tambajotra matanjaka.
Eric Manitrisa