
Nikorontana tanteraka ny fiainana andavanandron’ny maro noho ny tsy fisian’ny solika. Hita soritra izany ny hariva sy ny alin’ny alarobia teo. Nitohana ny fifamoivoizana tetsy sy teroa tao anatin’ny alim-be. Teo ny fiara lehibe izay lany gasoil teny an-dàlana. Teo koa ny filaharam-be miditra amin’ny toeram-pivarotan-tsolika. Saika nanapa-dàlana avokoa izany ary dia niaritra teo ny besinimaro izay nampiasa làlana. Na ny mpitandro ny filaminana izay niezaka nandrindra ny fifamoivoizana aza dia hita ho savolaina tanteraka. Ny taxi-be koa dia betsaka ny nahita faisana. Nisy ny voatery namerim-bolan’ny mpandeha rehefa lany solika teny an-dàlana. Dia voatery nody an-tongotra ny olona maro izay alim-be vao tonga tany an-trano. Na ny mpiala sasatra sy ny mpizaha tany izay nandalo teto an-drenivohitra aza dia nahita faisana koa nilahatra solika. Ny ankizy nanao fanadinam-panjakana Bepc dia isan’ny tara fodiana koa noho ny fitohanana tetsy sy teroa. Izany rehetra izany no niainan’ny maro ary mety mbola hiverina indray aza raha tsy tonga ara-potoana ny famatsiana eny amin’ny toeram-pivarotan-tsolika. Lasa andro aman’alina ny fitohanana ny alarobia teo ary miandrandra ny olona ny mba tsy hiverenen’izany intsony.
D.R