Teto an-drenivohitra ny varotra « live » na koa mandeha mivantana no natao. Eo koa ireo roa lahy mpisoloky no miasa mafy. Arahin’izy ireo akaiky ny olona izay mividy ary rehefa avy eo dia andefasany hafatra ary misandoka izy ireo ho « commercial » an’ilay orinasa. Angalany vola avy eo ary izany dia alefa amin’ny finday. Rehefa tsy tonga ny entana dia mazava ho azy fa miverina any amin’ny mpivarotra izay tsy nahalala na inona na inona ny fitarainana. Tamin’ity tranga ity dia nahazoan’izy roa lahy hatrany amin’ny 30 tapitrisa ariary ireo olona nisandohany. Nipetraka arak izany ny fitorian’ny tompon’ny pejy, teo anivon’ny zandarimaria tetsy Ambohibao. Nanomboka teo ny fikarohana sy ireo olon-dratsy izay tany Toliara no nosamborina rehefa fantatra fa any izy ireo. Nanditra ny fihainona, raha araka ny zandary, dia nanazava ireo olon-dratsy fa efa fanaon’izy ireo ity fikafika ratsy amin’ny varotra mivantana amin’ny facebook ity.
D.R