- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversSolontenan’ny kandida 11 eto Toamasina : Nanao hetsika teny amin’ny Dojo Soavita...

Solontenan’ny kandida 11 eto Toamasina : Nanao hetsika teny amin’ny Dojo Soavita ny alahady teo…

Nilamina ny hetsika nokarakarain’ireo solontena ny kandida 11 natao teny amin’ny Dojo Soavita ny alahady tolakandro teo. Tonga avokoa ireo solontenan’ny kandida nandritra izany ary samy nandray fitenenana avokoa izy rehetra nandritra io alahady tolakandro io. Nambaran’izy ireo tamin’izany ireo fepetra 04 tsy azo leferina nahatonga izao hetsiky ny kandida 11 izao, dia ny tsy fanekena ny firotsahan’ny kandida laharana faha-03 noho izy manana zom-pirenena ary naka izany an-tsitra-po sy feno taona, teo koa tsy maintsy hanoloanany CENI izany tsy azo atokosina hitantanana ny fifidianana noho izy mitanila loatra, ny fanoloana ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana mba ho lasa CES fa mpandika lalana loatra, ary ny fanovana ny governemanta izany mitanila loatra amin’ny kandidam-panjakana. Maro ireo olona tonga nandritra ity fiantsoana nataon’ny solontena ny kandida 11 Toamasina ity. Taorian’ny kabary izay nifandimbiasana dia nanao diabe no sady nody ireto ekipan’ny kandida 11 eto Toamasina ireto ; tao anatin’izany dia efa niantrana ny mpitandro ny filaminana indrindra ny zandary nisaron-tava, saingy tsy afaka naninona noho ireto ekipan’ny kandida 11 eto Toamasina ireto nilamina na nanafatra mpanampy aza izy ireo. Na teo aza ity hetsika tao amin’ny Dojo Soavita ity, dia tsy nanakana ny hetsika basket-ball natao tao amin’ny kianja mitafo ny Soavita izany, izany nizotra ara-dalana tsy nisy nanelingelina mihintsy. Ankilan’izany dia nanomboka ny alahady tolakandro io koa ny fampielezan-kevitra ho an’ny antoko Tgv teto Toamasina I, ka nisy noho izany ny « carnaval » nitety tanana nataon’izy ireo nandritra izany niantsoana ireo olona teny amin’ny fokontany samy hafa. Nifarana teny amin’ny MIAMI teny amoron-dranomasina ny filaharana nataon’izy ireo nandritra izany.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici