- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSOS Village d’enfants : Fifaninana tetikasa, mpianatra dimy nahazo famatsiam-bola

SOS Village d’enfants : Fifaninana tetikasa, mpianatra dimy nahazo famatsiam-bola

Tetikasa iray hiarahan’ny SOS Villages d’enfants sy ny DHL miasa ny “Goteach” na na fampiofanana tanora ho mpandraharaha matianina, ho olom-banona sy hahaleo tena. Mpianatra dimy isan’ny sangany iindrindra avy amin’ny SOS Village d’Enfants no nomen’ny DHL famantsiam-bola hanatanterahana ny tatikasany. Dimy izy ireo no afaka tamina fifaninana saingy ny telo tamin’izy ireo dia  nisafidy hanoy ny fianarany eny amin’ny anjery manontolo ihany ka tsy nanao ilay tetikasa. Eo amin’ny sehatry ny tontolo inforamtika no niompanan’ny tovolahy kely iray , izay marihina fa sady mbola mpianatra eny amin’ny oniversite Fianarantsoa  ihany koa izy no manangana ity tetikasany ity. Ny sehatry ny fambolena sy fiompiana kosa no safidin’ny iray, ka ao Befato no misy azy.

Nambaran’I Atoa Rakotoarisoa Geoffroy talen’ny fandaharan’asa SOS Villages d’Enfants eto Vakinankaratra fa efa 13 taona izao no nijoroan’ny SOS Villages d’enfants eto Antsirabe izany hoe efa tanora ireo ankizy notezaina tao ankehitriny, efa maro izy ireny no nahavita fianarana sy manana asa ambony nampian’ny DHL.  Azo hinoana fa mbola hisitraka ity famatsiam-bola ity ny ireo tanora sasany   amin’ny andiany manaraka.

 Malalaka amin’ny safidiny ny ankizy tsirairay amin’ny tetikasa tiany ho tanterahina ary manohana azy ireo hatrany ny SOS Villages d’enfants satria amin’ny alalan’ny fifaninana no handraisan’ny DHL ireo mpianatra mahazo ny famatsiam-bola.

Misy ihany ity tetikasa ity isan-taona hoy Amadou Diabate Tale jeneralin’ny DHL maharitra erin-taona ny fampiofanana,  aorian’izay dia fampiharana avy hatrany ary manohana hatrany ny orinasa DHL. Antenaina fa ho taratry ny fiaraha monina ireo nivoaka tamin’ny tetikasa ho modely ka hijery ireo zandriny ihany koa .

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici