- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversSport scolaire : Voaroba ny mpiasan'ny minisitera

Sport scolaire : Voaroba ny mpiasan’ny minisitera

Norahonana zava-maranitra toa ny sabatra sy antsy lava, ireo mpikarakara ny lalao fananjahantena an-tsekoly ; izay notontosaina tany Antsiranana, norobaina ny entan’izy ireo nony avy eo. Tokony ho tamin’ny telo ora maraina teo no nigadona tao amin’ny trano fipetrahan’ireo mpiasan’ny minisitera izay tompon’ny fikarakarana ireo olon-dratsy. Lasan’izy ireo tamin’izany ny vola, ny kojakoja maro, toy ny solosaina. Hatramin’ny peratra teny an-tànan’ireo olona aza dia tsy namelan’ireo jiolahy raha tsy azony . Nobatain’ireo mpandroba ihany koa ny valizy nisy ny akanjon’ireo olona maromaro. Tsy nisy sahy nanohitra ny iray trano, vokatry ny fandrahonan’ireo olon-dratsy tamin’ny fitaovam-piadiana. Rehefa lasa ireo farany  vao nantsoina ny mpitandro ny filaminana. Tsy dia nisy na inona na inona nantenaina intsony na dia natao ihany aza ny fisafoana ny manodidina. Nametraka fitoriana ireo voaroba ary nohamafisina ihany koa ny fiambenana ny toerana maro ao Antsiranana, toerana izay feno mpialasasatra amin’izao fotoana izao, vokatr’ity tranga ity.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici