Ny talata lasa teo no voasambotry ny pôlisy miady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika I Stephanie, ilay vehivavy voatonotonona matetika sy nambara fa mpiray tendro amina resaka fakàna an-keriny. Raha araka ny lalàna velona dia tapitra ny alakamisy teo ny fahafahana mitazo azy teny anivon’ireo mpanao fanadihadiana. Raha izany, tokony efa natolotra ny Fampanoavana omaly ity vehivavy ity. Tsy izay anefa no miseho. Raha ny lalàna ihany mantsy dia afaka mampitombo izany ho 72 ora ireo mpanao fanadihadiana, raha ilaina. Araka ny fantatra teo anivon’ireo mpitandro filaminana dia mbola mitohy tokoa eo amin’ny biraon’ny pôlisy misahana ny heloka bevava etsy Anosy ny fanadihadiana atao amin’ity ramatoa iray ity. Tsiavihina fa efa nisy ny didy fikarohana navoakan’ireo pôlisy mahakasika ity vehivavy ity, ny 26 janoary lasa teo, taorian’ilay trangana fakàna an-keriny niseho tao an-drenivohitr’i Betsimisaraka tao, niaraka tamin’ireo olona voalaza fa tompon’antoka tamin’ity tranga ity. Iray volana latsaka taorian’izay fikarohana izay no tratra tetsy Manjakaray ity vehivavy ity, raha saika niomankomana ny handeha hivoaka any ivelany. Marihana fa efa malaza ratsy amin’ity resaka fakàna an-keriny io ramatoa io, araka ny nambaran’ireo mpitandro filaminana hatrany, ary efa mafonja dia mafonja ny atonta-taratasiny eny anivon’ny fitsaràna. Tokony efa higadra noho izany izy teo aloha, kanefa noho ny antony tsy fantatra dia mbola io niriaria sy afaka nanantanteraka indray ilay fangalàna an-keriny an’i Arnaud sy Annie, ary nambara mihitsy aza fa tompon’antoka tamin’ny famonoana ity farany. Andrasana araka izany ny mety ho tohin’ny raharaha.
m.L