- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversStéphanie Roger Lala : Nafindra any amin’ny fonjan’Antsiranana indray

Stéphanie Roger Lala : Nafindra any amin’ny fonjan’Antsiranana indray

Telo taona latsaka iray volana taty aorian’ny nisamborana azy tetsy Manjakaray ary herintaona taty aorian’ny fitsaràna azy ka nahazoany ny sazy an-tranomaizina mandram-pahafaty, fantatra fa nafindra any amin’ny fonjan’Antsiranana i Stéphanie Roger Lala. Io farany dia ilay ramatoa izay voatondro ho isan’ny atidoha nikotrika ny fakàna an-keriny izay isan’ny nalaza indrindra teto amin’ny firenena satria nahakasika zaza tsy ampy taona roa ary koa novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ny iray tamin’ireo. Fisamborana faobe no natao tany Toamasina saingy tamin’ireo dia tsy nisy taratr’izay atidoha nikotrika mihitsy. Nafindra taty an-drenivohitra ny dosie, araky ny baikon’ny fiadidiana ny repoblika tamin’izany fotoana. Notaterina taty Antananarivo arak’izany ireo olona marobe izay nozarazaraina tamin’ny fonjan’Antanimora, Ambatolampy ary Arivonimamo. Nisy ny mbola tafatsoaka ny fonja ihany, fotoana fohy talohan’ny nitsaràna azy ary ny tsikaritra dia nanjavona tsikelikely rehefa nomena fahafahana vonjimaika ny sasany. Ny tena heverina fa « lehibe » tao anatin’ny raharaha dia ny nisamborana sy namonjàna ny mpitsara iray tao Toamasina. Taorian’izay koa no nahasamborana an’i Roger Lala Stéphanie izay efa nanan-kevitry ny nitsoaka ny firenena rehefa nivoaka ny didy fisamborana azy. Itsy voalohany, ilay mpitsara, dia nahazo fahafahana vonjimaika rehefa notazomina teny Manjakandriana. Afaka tanteraka koa izy rehefa nandeha ny fitsaràna azy. I Roger Lala Stéphanie indray dia nigadra mandram-pahafaty rehefa nandeha ny raharaham-pitsaràna ady heloka bevava. Tao Antanimora izy no notazomina voalohany, avy eo nafindra teny Arivonimamo. Tamin’ny herinandro teo kosa, izany hoe telo taona latsaka kely taty aoriana, dia fantatra fa nafindra any amin’ny fonjan’Antsiranana ny tenany. Mampanahy ny fianakaviana mpitory ity fivezivezen’ity ramatoa ity sy ny fitetezany ny fonja satria amin’izy ireo dia mety ho làlana iray izay hahafahany mivoaka tsimoramora izany lalao hafahafa izany. Be loatra ny « mafia » izay afakafaka foana tamin’ity raharaha kidnapping ity ary na ny mpitandro ny filaminana aza dia kivy ihany tamin’ny ezaka izay nataon’izy ireo tamin’ny fanadihadiana, ny fisamborana sy izay mety ho tohiny. Endrika iray izay mahatonga ny kidnapping ho lasa mora tanterahina sy tsy tonga hatramin’ny farany any amin’ny fisamborana ny atidoha mikotrika izany rehetra izany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici