Niainga tamin’ny fahatrarana mpiadina iray, tetsy amin’ny ivon-toeram-panadinana Andoharanofotsy no nahafantaran’ireo mpanao fanadihadiana fa niparitaka tao anaty tambazotra sosialy “Facebook”, ny laza adina “Malagasy”. Ny talata folakandro, tao anatin’io laza adina io mihitsy ity farany no tra-tehak’ireo mpiambina ary natokana efitra, mialohan’ny nanolorana azy teny anivon’ny tobim-paritry ny zandary tetsy Andoharanofotsy. Raha ny loharanom-baovao dia hitan’ny mpiambina nampiasa finday tao anaty efitranom-panadinana ity tovolahy ity. Nahagaga ihany, hoy ny vaovao ny nahafahany nitondra izany kanefa efa nisy fisavàna teo am-bavaravarana. Tsy vitan’io anefa ny raharaha, rehefa nosavaina ny tao anatin’ny findainy nojereny, izay nifandray tamin’ny compte Facebook-ny dia hita fa nisy laza adina taranja “malagasy” nitovy tsy nisy valaka tamin’ny laza adina hiadinan’ireo mpanala bacc tamin’io fotoana io, izay zavatra isan’ny nahagaga ireo mpiambina ihany. Hita tao, fa tokony ho tamin’ny mitatao vononana tany ho any nifandraisany tamin’io compte-ny io, izay azo heverina avy hatrany fa efa nahita laza adina mialohan’ny fotoana ingahirainy. Tsy tapitra hatreo anefa fa mbola nitohy hatrany ny raharaha, tamin’ny fisavàna ny compte-ny satria dia hita nifandray nivantana tamin’ny vondrona iray tao anaty Facebook ihany koa ny tenany. Ary tao anatin’io vondrona io dia efa nisy an’io laza adina taranja malagasy io ihany koa, efa niparitaka tao. Tsy azo hihodivirana araka izany, hoy hatrany ny fanazavana azo fa mety efa maro ireo mpiadina no nahita ity laza adina, niparitaka mialoh’ny fotoam-panadinana ity. Tokony ho tamin’ny roa tany ho any moa ity mpiadina ity no tra-tehaka, kanefa mba tsy hanakorontana ireo mpiadina hafa dia natokana efitra fotsiny izy, ary natolotra avy hatrany ny mpitandro filaminana, rehefa nirava ny fanadinana. Notazomina avy hatrany natao andrimaso tao amin’ny biraon’ny zandary teny Andoharanofotsy moa ity farany, ary omaly maraina dia nalefa eny Fiadanana. Efa nosokafana ny fanadihadiana sy famotorana mahakasika izao toe-javatra izao. Marihana fa mpianatra amin’ireny “cours” mampiomana amin’ny fanadinam-panjakana ireny ity tovolahy 18 taona ity.
m.L