- Publicité SW45 -
lundi, janvier 6, 2025
AccueilFaits-DiversSun Farming : Tsy misy eto Antsirabe ny délestage

Sun Farming : Tsy misy eto Antsirabe ny délestage

Hamokatra herinaratra manana tanjaka hatramin’ny 5MW ny tanjon’ny Sunfarming Food and Energy. Efa mitsinjara ny vokatra 2MW amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo JIRAMA izy ireo ankehitriny, antony iray isay tsy hisian’ny fahatapaha-jiro eto izany araky ny fanazavana.

Eny Tsaratanana no misy ny fotodrafitrasa, tonga nitsika ny fivoaran’ny tetikasa ny lehiben’ny Sunfarling maneran-tany Atoa Peter Shrum teratany Alemana ny 31 Aogositra lasa teo. Niara dia taminy ny tale jeneralin’ny Sunfarming food and energy eto Madagasikara, notronon’ny tale kabibenetran’ny faritra sy ny talen’ny jirama eto Antsirabe.

Azo lazaina ho afa-po tamin’ny fitsidihany ny lehiben’ny Sunfarming Food and Enery satria nambarany tamin’ny lahateniny fa mijery lavitra ny tetikasa ataon’ny Sunfarming Food and Energy, tsy eo amin’ny famokarana herinaratra ihany fa misehatra amina lafinjavatra aro ny Sunfarming Food and Energy. Ankaotr ny fanjariana ara-tsakafo mantsy dia misehatra amin’ny fambolena sy fiompiana ihany koa ny tetikasa manampy ireo tantsaha amin’ny fampiofanana samihafa. Eo ihany koa ny famoronana asa vaovao ho an’ny tanora, miara miasa amin’ny Oniversité eny Tsaratanana ny Sunfarming ary manome fampiofanana ireo tanora mpianatra.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici