
Nampahafantarina omaly tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny Motel Anosy, ireo mpikambana mandrafitra ny Sampana miaro ny mpanao gazety eo anivon’ny ONG Ilontsera, izay ahitana mpisolo vava, psykaology, mpanao gazety (OJM) ary mpikambana eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Manehoa izy ity, izay mikendry ny hanamafisana ny fahalalahana maneho hevitra eto amintsika. Novolavolain’ny Internews avy amin’ny famatsiam-bolan’ny Vondrona Eraopeanina ary tontosain’ireo Vondrona mpiara-miasa ahitana ny Ong Ilontsera, ny Ong Malina, Ong CID, Studio Sifaka, ny radio Sioka ary ny Coalition des radios.
Ny tanjona amin’izao dia ny mba hisitrahan’ireo mpanao gazety tsy an-kanavaka, fiarovana eo anatrehan’ny lalana, torohevitra sy tohana ara-tsaina sy ara-moraly, manoloana izay mety ho tsindry maro eo am-panantanterahana ny asany : ny herisetra maro samihafa sy ireo fitoriana isan-karazany. “Singanina manokana amin’ireo ny mpanao gazety vehivavy izay mbola mety iharan’ny tsindry hafa ankoatra ireo, amin’ny maha-vehivavy azy”, hoy ny fanazavana azo.
Miara-miasa akaiky . Ny Ojm, araka ny nambaran-dRamatoa Filohany, izay efa manana mpanolotsain-dalàna, miara-miasa amin’ny fiarovana ireo mpanao gazety, dia vao mainka hahazo tombony betsaka amin’izao fametrahana izao rafitra izao.
Maimaim-poana ho an’ireo mpanao gazety tsy an-kanavaka ny fametrahana fitarainana na filàna tantsoroka any amin’ity sampana miaro ny mpanao gazety ity, izy azo antsoina ao amin’ny 038 11 181 54, na ny mailaka lem.organisation@gmail.com. Marihana fa na dia mbola faritra enina eto amintska ihany aza ny hiasàn’ilay tetikasa dia tsy afaka ny hanosi-bohon-tanana ireo mpanao gazety any amin’ny faritra hafa mila izay tohana izay izahay, hoy ny Filohan’ny Ong Ilontsera.
m.L