Ny angom-baovao voaray avy any an-toerana no nahalalana fa nahitana halatra omby ny tao amin’ny kijana iray tsy misy fefy, tany amin’ny fokontan’i Manjarisoa, kaominina ao ihany, any amin’ny disitrakan’i Tsaratanàna, ato anatin’ny faritra Betsiboka ny andron’ny faha 04 febroary taona 2026 lasa teo iny. Rehefa nahazo antso an-tariby ara-potoana ny polisy miasa ao Tsaratanàna an-tapon-tanàna dia niroso tamin’ny fanarahan-dia tsy nisy hataka andro avy hatrany, niaraka tamin’ireo vatan-dehilahy tao amin’ny fokontany nisehoan’ny halatra omby niisa dimy, nalain’ireo malaso tsy voafaritra isa. Ny alakamisy 05 febroary 2026 teo, tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany maraina, anefa dia hitan’ny mpanara-dia tao amin’ny tanàna atao hoe Andasibe, mbola any amin’ny disitraka voalaza etsy ambony, ireo omby ireo, saingy efa tsy tratra tao kosa ny jiolahy nitondra izany. Efa nomena ny tompony avokoa ny omby. Eto am-pamaranana ny lahatsoratra dia tsara hatrany ny mampahafantatra fa mifanaraka tanteraka amin’ny famantarana ireo omby nangalarin’ny malaso ireo, sady nankasitran’ny mponina ny fihetsika mendri-piderana nataon’ireo polisy ao amin’ny “Commissariat Tsaratanàna, ato anatin’ny fitaliavam-paritry ny filaminam-bahoaka eto Betsiboka.
Ratantely


