Ao anatin’izao ezaka fanovan-drafitra eo anivon’ny tafika Malagasy izao dia isan’ny tsy azo atao ambanin-javatra ary ilaina ny fifehezana ny teny vahiny, indridra fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ireo firenena lehibe. Isan’izany ny teny Anglisy izay teny be mpampiasa indrindra eto eran’izao tontolo izao ary ifandraina betsaka indrindra eo amin’ny lafiny teknolojika. Tpombony lehibe ho an’ny Tafika Malagasy ny fanana fotodrafitr’asa ho an’izany fampianarana teny Angilisy izany izay vao avy namoaka mpiofana ny talata 27 jolay teo. 26 tamin’izy ireo no notolorana ny mari-pahaizana mifanaraka amin’ny fihofanana izay narahany. Mari-pankasitrahana kosa ny an’ireo mianadahy fo fanehoam-pisaorana azy ireo sy ho fankaherezana azy. Ireto farany izay notolorana ny mari-pahaizana mifanaraka. Nandritra ity lanonana izay natrehan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny tafika sy ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena ity ka notanterahana teny amin’ny CEMES Soanierana ny talata teo, no nanambaran’ny jeneraly Rakotonirina Richard, Minisitry ny Fiarovam-pirenena fa : « mifandrindran-dalana amin’ny fanavaozan-drafitra tanterahina eo anivon’ny Tafika ny fanatsarana sy fampakarana lenta ny fahaiza-manaon’ny miaramila ». Nanamafy izany ny Tompon’andraikitry ny Fiarovana avy amin’ny Masoivoho Amerikanina izay mpiara-miombon’antoka amin’izao fanofanana izao, ny kaomanda James MILLARD fa tsy mora ny mianatra ny teny anglisy kanefa dia naneho fahavonona ireo mpianatra sy mpampianatra ka nisaotra azy ireo izy. Ato amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena dia misy ivotoeram-pampianarana teny vahiny izay sampan-draharaha iray ao amin’ny Fitalehavana ny Serasera tarihin-dRamatoa Rabearilaza Mamy. Nanazava ny Talen’ny Serasera fa ny teny dia ahafahana misehatra eo anivon’ny Tafika satria anisan’ny fitaovam-piadiana rehefa misy fifampiresana eo amin’ny iraisam-pirenena na ny andavanandro ahafahana miaro ny vahoaka sy ny fananany ary hiatrehana ireo ambana maro lafy. Noho izany indrindra no nandraisana ny andraikitra amin’ny famerenenana ny fianarana ny teny anglisy sy ny teny vahiny samihafa izay tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Minisitry ny Foarovam-pirenena.
T.M.