Tsapa ankehitriny, fa tsy mitsaha-mitombo ny olona voan’ity tsimokaretina ity eto amintsika, ary efa maro ihany koa ireo lavon’izany. Manolona izany, dia tsy manao ambanin-javatra ny fahasalaman’ireo miaramila an-daharana izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fitandroana ny fahalemana eny anivon’ny vahoaka sy miatrika mivantana ny valanaretina Covid-19, ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena. Mba hiarovana azy ireo, dia tonga nitety ireo vondron-toby 9 manerana an’Antananarivo renivohitra sy ny manodidina (1RM1, R3A, GENIE, RAS, RTS, CAPSAT, 1RF1, CPC, BANI) ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard sy ny Lehiben’ny Etamazaoro jeneralin’ny Tafika Malagasy, ny Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude, omaly Zoma 03 jolay 2020. Nijery tsirairay ny miaramila isaky ny Vondron-toby izy ary nanolotra fitaovana entina miady amin’ny Covid-19, toy ny visière, aron-tava, ary ihany koa CVO an’arivony. “Tsy maintsy voaaro ny miaramila vao afaka miaro sy manampy ny vahoaka. Ary izany indrindra no hanomezana ireto fitaovana ireto ho entin’ny miaramila mamita ny iraka ampanaovina azy sy mba hisian’ny risi-po amin’ny fanatanterahana ny asany.” hoy izy nandritry ny lahateniny.
Etsy an-kilany dia nanentana ireo miaramila teo anivon’ireo Toby 9 ireo ny Lietna Kolonely Ravaoavy Hariniaina, Komandin’ny BIS Analakely ny amin’ny tokony hanajan’ny tsirairay ny fepetra ara-pahasalamana: ny fanaovana aron-tava, fanasan-tanana isaky ny 15 minitra ary ny fanajana ny elanelana iray metatra. Nohamafisiny fa mifindra amin’ny alalan’ny piti-drora ny Covid-19 izany indrindra no tokony hanajana ny elanelana iray metatra sy ny tsy hivorivoriana mba hahafahana miaro ny tenanao sy ny hafa ihany koa.
Nandritra izao fidinana ifotony izao ihany koa no nanoloran’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena omby 9 avy amin’ny Filoham-pirenena sady Filoha faratampon’ny Foloalindahy ho an’ny vondron-toby eto an-dRenivohitra ho fankasitrahana ny miaramila noho ny fahavitan’ny fankalazana ny faha-
60 taona niverenan’ny fahaleovan-tena sy 60 taona nijoroan’ny foloalindahy.
T.M.