- Publicité -
mercredi, mai 21, 2025
AccueilFaits-DiversTafika masina sy ladoany nifanafika : Vita ny fampihavanana teo amin’ny roa...

Tafika masina sy ladoany nifanafika : Vita ny fampihavanana teo amin’ny roa tonta !

Tena tafika masina marina. Notafihany ny ladoany iray tao Doany Betsiboka, Ankijabe. Tao anatin’ny fanadiovana io doany io mihitsy ny mpitahiry fomban-drazana tamin’io fotoana io, izany hoe ny asabotsy 14 jiona teo. “Raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, nisy ny naratra avy amin’ny andaniny roa. Araka ny fanadihadiana dia nikasa ny hanimba sy handoro ny Doany Betsioka ilay Katekista sy ireo mpino niaraka taminy ka izay no fototry ny fifandonana teo amin’ny roa tonta.

Tsy faly, noho izao zavatra izao efa mpiseho matetika, ireo mpitahiry fomban-drazana sakalava ary namory mpanao gazety ny talata 17 jona, nilaza fa tsy handefitra intsony rehefa tsy handray andraikitra ny Fanjakana momba ny mpanao tafika masina”, raha araka ny tatitra azo avy amin’ny sampandraharahan’ny serasera eo anivon’ny faritra Boeny. “Ity tany ity dia tanin’ny Sakalava, izay tsy mahazaka ny fombanay, aoka izy hiala eto aminay”, hoy ny Bemanangy Dady Bery tamin’izay, raha araka ny loharanom-baovao mitovy. Niaiky ny Filoha synodaly fa nisy ny fahadisoana avy amin’ireo mpino kristiana tao Ankijabe noho ny hafanam-po tsy voafehy teo amin’ilay Katekista mpitarika. Tsy fomban’ny mpino FJKM manao tafika masina, hoy izy, ny mandrava na manimba zavatra fa mijanona amin’ny fandresen-dahatra ara-panahy ireo vangina fotsiny ihany izy ireo. Nifanaraka taorian’izay ny mpitarika   roa tonta, dia ny Filoha synodaly sy ny Ampanjakaben’ny Boeny fa tsy hiditra na hanafika ireo toerana natao ho manankasina ara-drazana sakalava intsony ireo mpino kristiana FJKM eto amin’ny synodam-paritanin’i Boina Vaovao, ary horaketina an-tsoratra izany. Ankilany, nandray fepetra ny Lehiben’ny Faritra Boeny fa manomboka izao dia tsy maintsy angatahana fahazoan-dàlana amin’ny Lehiben’ny distrika ny hetsika ara-pinoana tsy an-kanavaka sy ara-drazana atao eto amin’ny Faritra vao azo tanterahina. Niravona ny raharaha taorian’izany fandraisana fepetra teo amin’ny roa tonta izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser