Vao nisy ny fahalalan’ny maro, fa efa ahitana ny valanaretina coronavirus ao La Réunion sy ny fanambaran’ny Fikambanambe iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS) fa lasa valanaretina iraisam-pirenena ny coronavirus, dia hagagana ny an’ny rehetra fa tsy hita tadiavina eto Toamasina ny sarom-bava izay voalaza fa natokana ho an’ny marary sy ny mpitsabo ihany ny fampiasana azy, sy ny “gel hydro-alcoolique” ho fiarovana amin’ny fanadiovana ny tanàna. Amin’ity farany aza dia hagagana hatrany ny an’ny rehetra, fa na misy aza izany dia niakatra be ny vidiny satria efa mahatratra 15.000 ariary ny iray amin’ireo kely eny an-tsisiny. Manampy trotraka izany koa ny fiakaram-bidin’ny sakamalaho lasa 6.000 ariary sy ny tongolo gasy lasa 20.000 ariary ny kilao eny an-tsena, fa hoe miaro amin’ny fidiran’ny valanaretina ny fihinana azy ireo. Vokatr’ izay rehetra izay, dia namory ireo tompon’andraikitra sami hafa ara-piarahamonina ny kaomisionina misahana ny fampitam-baovao ao anatin’ny vovonana miady amin’ny valanaretina coronavirus eto Atsinanana, ka nandritra izany no nanambarany, fa tsy tokony hikoropaka isika fa hanaraka kosa ny fepetra efa noraisin’ny fanjakana sy ny lalàn’ny fahasalamana ary tsy ho resin’ny tsaho samihafa. Efa misy ny fandaminana raha sendra misy ny valanaretina eto Toamasina, ka isan’izany ny efa fanomanana fandriana 20 eo anivon’ny hopitaly be, hitsaboana sy hanaraha-maso ireo mety ho tratr an’izany coronavirus izany . Ankoatr’izany, dia nanamafy ireo kaomisionina mitsangana eto Toamasina, fa efa ela no nanara-maso ity valanaretina ity izy ireo, indrindra vao nitombo isa ny olona voany eran-tany. Efa nisy olona 20 avy any Chine sy Thailande tonga teto Toamasina naraha-maso tamin’izany, saingy hatreto dia miiba avokoa amin’ny coronavirus ireto olona 20 nampiahiahy.
Malala Didier