- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Takelaka ilain’ny rôplanina notrongisin’ny kamiao

Ivato : Takelaka ilain’ny rôplanina notrongisin’ny kamiao

Potika tanteraka ilay fitaovana

Miasa be amin’ny fivezivezen’ny fiaramanidina izay hipetraka eo amin’ny seranam-piaramanidina etsy Ivato ilay fotodrafitrasa. Kanefa dia nofaohin’ny kamiao mpitatitra ranon-tany, omaly, teo Ambohipanasina (bout de piste). Nitolefika ny ilany kanefa na izany aza mba mbola afaka nijoro ihany saingy nitongilana. Izany hoe mitongilana koa ny jiro famantarana izay mety ho hitan’ny mpanamory avy eny ambony eny. Hatreto dia ny tsy fitandreman’ilay mpamily, 25 taona, no nitera-doza. Tonga teny an-toerana ny tompon’andraikitry ny Asecna. Teny koa ny zandary izay sady nandamina ny fifamoivoizana no nanokatra ny fanadihadiana. Omaly ihany dia nanapa-kevitra ny tompon’ny orinasa nampiasa ilay kamiao ny amin’ny handraisana an-tànana ny fanamboarana ilay fotodrafitrasa, ary faran’izay haingana. Ilaina isan’andro tokoa mantsy io takelaka ho an’ny fiaramanidina io ary mety hitera-doza ny tsy fisiany. Etsy ankilan’izany, tsikaritra fa miverina baranahiny indray amin’izao fotoana ny fivezivezen’ny kamiao eto an-drenivohitra sy ny manodidina azy. Tsy misy lera toa ny teo aloha sy ny voafaritry ny lalàna kominaly intsony fa dia samy manao izay danin’ny kibony ireo mpitatitra. Mijery fotsiny sisa ny mpitandro ny filaminana ary izay « mahalala fomba » dia malalaka hoazy ireo ny làlana. Isan’ny miteraka lozam-pifampivoizana izany ankoatry ny fitohanana izay mety haterany.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici