- Publicité -
dimanche, juin 1, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Taksiborosy may kila, tsy nisy noraisina ny entana rehetra

RN4 : Taksiborosy may kila, tsy nisy noraisina ny entana rehetra

Very fanahy mbola velona ny tompon’ilay fiara taksiborosy, kaoperativa kofmad, manoloana ny firehetan’ny fiara, vokatry ny  » Court-circuit niseho tamin’ilay batterie, ny alin’ny faha 09 Oktobra taona 2024 teo, tokony tamin’ny 11 ora tany ho any. Fiara Sprinter taksiborosy avy any Antananarivo hihazo any Mahajanga no nirehatra teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra Pk 308+800, teo Antsakoamamy, any amin’ny kaominina Maevatanàna II Soa fa nalaky nivoaka ny fiara ireo mpandeha tao anatiny, rehefa nahita ny fidonan-tsekotra teo am-pijanona

Niezaka niantso ny teo amin’ny manodidina hatrany ny tompon’ity fiara ity, fa tsy tana intsony ny fihitaran’ny afo tamin’ilay fiara taksiborosy. Taorian’izay no nidina teny an-toerana ny ben’ny tanànan’i Maevatanàna faharoa sy ny Depiote Jeaninne, ary ny perefetn’i Maevatanàna nijery ny zava-nitranga. Ny alin’iny ihany no nafindra fiara taksiborosy hafa ireo mpandeha niaram-boina. Tonga teny ifotony nanao ny fizarana ny loza niseho ny zandary

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici