
Tokony eo amin’ny 17 km tsy hidirana an’Ambositra amin’ny lalam-pirenena fahafito no niharan’ny tifitra variraraka ny Taksibrosy iray raha nikasa hiakatra eto Antananarivo omaly tokony tamin’ny 1 ora sy sasany maraina teo. Nosakan’ny dahalo tamin’ny hazo sy vato ny lalana. Nisy ny tifitra nataon’izy ireo, ary variraraka mihitsy izany, satria nahavoa ny lohan’ny fiara aty amin’ny faritry ny mpamily sy ny kodiarana. Nisy diam-bala ihany koa tany akaikin’ny mpandeha. «Tsy nisy aina nafoy, ny kodiaran’ny fiara no vaky, nahay niala sakana vato nataon’ireo dahalo ihany koa ny mpamily », hoy ny renim-pianakaviana iray, isany mpandeha tao anatin’io fiara. Tafatsoaka ihany noho izany ilay fiara fitateram-bahoaka, ary tsy nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy. Nisy ny fampilazana ny zandary taorian’izay ary nidina tany an-toerana ireo. Tsy nisy tratra ireo dahalo fa efa niala teny amin’ity toerana ity. Nanala ny sakana nataon’ny mpitandro filaminana. Tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra no nisehoana fanafihana sy fanakan-dalana vao tsy ela akory izay. Ny amin’ny lalam-pirenena fahafito efa nisy hatrany ny fepetra noraisina indrindra amin’ireo faritra mena. Nitranga anefa ny asa fanafihana indray. Ilay fiara koa nandeha irery. Efa mahafantatra ny fisian’ny mety ho fanafihana sy sakan-dalana ny mpamily saingy entin’ny fahamaizana ka manohy ny dia hatrany. Mampirongatra azy ny fanakan-dalana izao akaiky fety izao. Mirongatra amin’ny lafiny rehetra mihitsy ny asan-jiolahy. Manao ny ezaka ihany ny mpitandro filaminana andaniny. Toy ny fidinana ifotony tany Ankazobe amin’ny raharaha fakana an-keriny. Heverina fa hahazo ny anjarany koa ny hetsika amin’ny ady amin’ny jiolahy mpanakan-dalana izay loza mitatao ho an’ny mpandeha amin’ny fananan’ireo jiolahy fitaovana toy ny basy. Tsy misalasala rahateo izy ireo mitifitra toy ity tranga farany ity. Manaitra ny tompon’’andraikitra ny rehetra mba hijery akaiky satria sakana ho amin’ny fivezivezen’ny vahoaka no olana amin’ny fampandrosoana ihany koa
Yv Sam