Tsy nisy noraisina fa dia lavenona indray sisa tavela tamin’ireo trano 11 tafo kilan’ny afo tao amin’ny fokontany Andrakibika.
Ny alin’ny alahady hifoha alatsinaniny teo no nitrangan’ny loza. Marihina fa trano manamorona ny arabe ireto kilan’ny afo ireto ary saika toeram-pivarotana avokoa.
Fantatra araka ny fanazavan’ny iray tamin’ireo niharam-boina fa afo avy tao amin’ny toeram-pivarotan-tsakafo no niandohan’ny loza. Niezaka namono ny afo ireto farany saingy tsy voafehin’izy ireo izany ka teo vao niantso vonjy sy nitsoka kiririoka. Tsy nisy azo natao intsony anefa na dia nanao izay ho afany aza ny fokonolona teo amin’ny manodidina fa vetivety dia nitatra be ny afo ary tsy voafehy intsony, trano hazo rahateo ireo fivarotana sady trano fonenana, ankoatra ny trano biriky iray kila hotohoton’ny afo ihany koa. Nandritra izany, nisy ireo nitondra moto namonjy teto Antsirabe renivohitra nitady vonjy tamin’ny kaominina, saingy iaraha-mahalala fa tsy mbola manana izany ity tanan-dehibe faraharoa ity, mitovy amin’ny tsy manana ihany satria misy io fiara mpamonjy voina io fa ny kojakoja ampisana aminy no voalaza fa tsy misy. Ankoatra izay, namonjy ny “groupe socota” ireo mila vonjy saingy voalaza fa efa ela koa no simba ity fiara mpamonjy voinan’ny “groupe socota” ity. Naharitra ora maro ny firehetana ary niezaka namoaka entana ihany ny fokonolona saingy dia nanamarika ireo niharam-boina fa nisy ireo nanararaotra nangalatra ny entan’izy ireo, fihetsika izay hita fa mahamenatra tokoa. Soa aloha fa tsy nisy ny aina nafoy, fantatra fa lehilahy iray no may teo amin’ny faritry ny lohany nandritra ny famonjena nataony.
Andry N.