- Publicité -
jeudi, septembre 25, 2025
AccueilFaits-DiversTalata Volonondry : Fanakanan-dalana, fiara teo indray lasibatry ny jiolahy

Talata Volonondry : Fanakanan-dalana, fiara teo indray lasibatry ny jiolahy

Nisehoana trangana fanakanan-dalana indray tany amin’iny faritra Talata Volonondry iny, ny alatsinainy alina lasa teo. Jiolahy am-polony maro no indray nanafika fiara telo, izay nindrana iny lalana mizotra mankany Sadabe iny. Vokany, olona roa no naratra mafy ary vola valo hetsy ariary no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Tamin’ny 9 ora alina tany ho any no niseho izy ity. Nasian’ireo andian-jiolahy vatobe ny lalana, izay efa ratsy rahateo, ka tsy afa-nanoatra ireo fiara nandalo. Vantany vao tafajanona ny fiara dia avy izy ireo tamin’ny tora-bato, izay namparatra ireo mpandeha. Nihorohoro avy hatrany ireo olona teo anatrehan’ireto andian-jiolahy misaron-tava sy mitondra basy ireto, ka nanao izay danin’ny kibony ireto farany naka izay ao nalaina. Kamiô iray, taxi-brousse ary môtô no indray lasibatra tamin’izany. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny zandary mifehy iny faritra iny, dia tsy nanapoaka basy ireto olon-dratsy tamin’io fotoana io fa nentin’izy ireo nampihorohoroana fotsiny ny basy poleta teny an-tanany. Efa mandeha amin’izao ny fikarohana ireo olon-dratsy sy famotorana ataon’ireo zandary tamin’ity tranga ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici