Nisehoana lozam-pifamoivoizana omaly antoandro tokony ho tany amin’ny 12 ora tany ho any, tamin’ny làlam-pirenena faha-3 teo amin’ny PK 28,2 nivoaka ny tanànan’i Talata Volonondry. Vokany, olona iray no namoy ny ainy ary dimy naratra. Ny loharanom-baovao no nahafantarana, fa raha nandeha nilamina tsara ilay taxi-brousse no nisy olona niampita tampoka. Niezaka ny mpamily niala an’ilay olona, nefa moa voadona ihany ilay izy. Naratra mafy io voadona io ary voalaza fa namoy ny ainy afaka fotoana fohy. Ilay fiara kosa, nifatratra tanaty tatatra manamorona ny arabe. Dimy tamin’ireo mpandeha no voalaza fa naratra. Toa tsy dia misy atahorana anefa ny amin’ny ainy. Tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza, nisy ny nilaza fa somary efa nisotrosotro ilay mpandeha an-tongotra. Ankeviny tsy hitany ilay fiara, ka dia mbola nanapa-dàlana ihany izy. Olona mipetraka eny amin’ny manodidina ihany ity maty ity. Efa nilazana ny fianakaviany izay tonga naka ny razana.
Tsy dia hisehoana loza loatra iny lalam-pirenena faha-3 iny, na dia maro aza ireo fiara mpitatitra nolazain’ny mpanjifa fa mandeha mafy. Sendra ny patsa iray tsy omby vava ity olona niampita làlana ity, omaly.
r.s.