- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTalata Volonondry – Moramanga : Taxi-brousse nivadivadika, maro ny naratra

Talata Volonondry – Moramanga : Taxi-brousse nivadivadika, maro ny naratra

Nandriaka indray ny rà omaly tamin’ireo lalam-pirenena faharoa sy fahatelo. Tetsy Talata Volonondry, taxi-brousse iray manao zotra eto an-drenivohitra handeha hianavatra no nivadika, omaly vao maraina. Toraka izany ihany koa, fiara mpitatitra hihazo an’i Moramanga no latsaka tany an-tevana tetsy Andriaka.

Raha ity nitranga tetsy Talata Volonondry, araka ny angom-baovao azo, dia fiara taxi-brousse manao zotra Ivato no nofain’ny fianakaviana manokana haka azy ireo vao maraina teny Ankazondandy. Mbola tsy nisy afa-tsy ny mpamily sy ny mpanampy azy araka izany ny tao anatin’ny fiara. Azo inoana, araka izany, fa mety ho somary nandeha mafy izy ireo ary azo heverina mihitsy ho tsy mbola za-dalàna. Tao anatin’ny fiolanana iray mampidi-doza izay indrindra, raha niala kely ny tampon-tanan’i Talata no nitranga ny loza. Tsy voavily intsony – na voavily tampoka- ny familiana, hany ka nivoaka ny lalana avy eo namantana tanaty tevana sy nivadibadika ilay fiara. Soa ihany anefa fa tsy mbola nitondra olona ity taxi-brousse iray ity, saingy na izany aza dia naratra mafy ireo roa lahy tao anatiny. Simba tanteraka kosa ilay fiara « sprinter ».

Fa mbola io omaly maraina io hatrany dia taxi-brousse iray mampitohy ny renivohitra sy Moramanga kosa no nivadivadika sy nivarina tanaty hantsana omaly tetsy Andriaka, tamin’iny lalam-pirenana faharoa iny. Handeha hitodi-doza hiatsinana ity farany no sendra io loza io, araka ny fampitam-baovao azo ary efa nisy mpandeha tao anatiny. Voalaza fa fandehanana mafy vokatry ny fifananenjehana fiara roa mitovy no antony nahatonga ny loza. Na izany aza, raha ny vaovao voaray dia tsy nisy ny aina nafoy, na dia teo aza ny hamafin’ny dona nahazo ity « sprinter » ity, saingy maro tamin’ireo mpandeha kosa no naratra mafy ary misy mihitsy aza ireo tena voa mafy amin’izany. Efa samy nentina nihazo toeram-pitsaboana avokoa moa ireo naratra tamin’ireo lozam-pifamoivoizana ireo ary efa samy tonga teny an-toerana ireo mpitandro filaminana nijery ifotony ny zava-nisy sy nanokatra ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici