- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTalata Volonondry : Môtô nidona tamina fiara, roalahy namoy ny ainy

Talata Volonondry : Môtô nidona tamina fiara, roalahy namoy ny ainy

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny Talata Volonondry ny asabotsy lasa teo. Môtô scooter, marika “Yamaha Majesty” no nifandona tamina fiara “minibus Toyota”, tokony ho tamin’ny 1 ora antoandro teo ho eo. Vokany maty tsy tra-drano ireo roalahy nitaingina ilay môtô. Araka ny filazan’ireo olona nahita teny an-toerana, dia mpanamboatra môtô izy roalahy ireto, monina eny amin’iny faritra Itaosy. Teo am-panandramana ilay scooter namboarina mihitsy ireo no sendra izao loza mahatsiravina izao. Ilay “minibus”, kosa indray dia saika hamonjy mariazy ary dia io niharan-doza io. Nijininika ny rà teny an-toerana, teo akaikin’ny fiviliana mankany amin’ny “radio”. Mafy dia mafy mihitsy mantsy ny fifandonana, satria dia samy nandeha mafy ireto fiara sy môtô ireto. Nipotsaka ny atidohan’ilay tovolahy iray, raha niboraka tsinay kosa ilay iray nentiny. Tsiravina ireo nahita. Teo no ho eo ihany  dia namoy ny ainy izy roalahy. Potika tsy nisy noraisaina kosa ilay “majesty” nentin’izy ireo. Fanintelony amin’ireo olona namoy ny ainy tamin’iny lalam-pirenena faha-telo iny ireto roalahy ireto. Vao andro vitsy talohan’izay ihany koa mantsy no nahafatesana tovolahy iray, mbola mpitondra môtô ihany koa, tetsy Antsofinondry. Vokatr’io fandehanana mafy sy fisetrasetrana ambony “scooter” io, toa tsy mahalala izay hahafaty azy intsony ireo tanora amin’izao fotoana izao. Ny ankabeazan’izy ireo ihany dia zara hoe mahay mitondra, fa tsy mahafantatra akory izany lalànan’ny fifamoivoizana izany. Ilàna fandraisana fepetra hetintra dia hetintra, avy amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy angamba izy ireny, hisorohana ny loza toa izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser