- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversTalata Volonondry : Naolany ny zanany vavy dia namono tena izy

Talata Volonondry : Naolany ny zanany vavy dia namono tena izy

Tamin’ny herinandro lasa teo, tsy fantatra izay nahazo an’ity raim-pianakaviana iray monina tsy lavitra ny tananan’i TalataVolonondray fa dia vitany ny nanolana ny zanany vavy kely vao 13 taona monja. Tsy fantatra ihany koa na nokaikerin’ny nenina ny anao lahy fa dia nomono tena izy avy eo. Ny loharnaom-baovao no nahafantarana fa nandeha namonjy trano fiterahana ny vadiny tamin’io andro io. Nanatitra azy tany izy mianaka. Rehefa tafapetraka ilay vehivavy dia niverina nody ilay lehilahy sy ny zanany vavy. Efa alina, nahare olona toa miantso vonjy ireo teo amin’ny manodidina. Tsy nisy niraika anefa, hoy hatrany ny vaovao, fa nihevitra ho ankizy miady sy misangy. Tokony ho tany amin’ny 12 ora alina, iny ilay lehilahy niantso ny manodidina hitondra ny zanany any amin’ny hopitaly fa marary, hoy izy. Nitomany mafy ilay zaza teny an-dalana ary tsy nety niteny mihitsy ny zavatra nahazo azy. Rehefa tonga tany amin’ny reniny anefa dia nitantara ny zavatra nanjo azy ary ny rainy no notondroiny ho nanolana azy. Tsy nanaiky ny zavatra niseho ilay ramatoa. Teo, lasa nandeha rangahy ary niala ny tanàna. Tonga ny vaovao afaka andro roa fa maty koa izy, namono tena, hoy ny filazan’ny rehetra. Dia nentina niverina tany Talata Volonondry ny razana.Izay rehetra nahafantatra ny fandehan-javatra dia tezitra avokoa ary samy nanameloka ny zavatra mamoafady vitan’ity raim-pianakaviana ity.

r.s.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici