Olona miisa hatrany amin’ny dimy no nosamborin’ny zandary tany amin’ny faritra Talata Volonondry ny faha-27 septambra teo. Voarohirohy amina resaka halatra omby niseho tao Avaratsena any an-toerana ihany izy ireo. Nisy nangalatra ny omby tany an-toerana. Raikitra ny fanenjehana ireo jiolahy. Rehefa maraina, hita soritra ny fandehan-javatra ka tamin’izany no nahafahana nisambotra telo lahy voalaza fa anisan’ny nanao ny halatra. Tetsy andaniny koa anefa, nisy vehivavy roa nitondra hena tanaty gony izay tsy fantatra ny niaviany.
Tsy vao izao no nisy ny halatra omby anaty fahitra any amin’iny avaratry ny renivohitra iny fa efa hatramin’ny ela tokoa. Mihorohoro ny mponina vokatr’izany. Voalaza fa kinga sady toa hoe manana mpiaro ireo mpangalatra ireo. Raha vao miseho mantsy ny halatra, mivoaka avokao ny rehetra manao ny fanarahan-dia. Indraindray, hita any anaty alan-kininina ny hoditr’omby sy ny taovany. Ny hena kosa efa tsy eo intsony. Dia miala maina eo ny tompony tsy afaka manao na inona na inona. Ankoatra izany, lasa lavitra ny dian’omby. Manaraka ny fokonolona ary voalaza fa mahita ny ombiny ny tompony. Toa misy mandrahona koa anefa ry zareo amin’izany ary tsy sahy maka ny azy fa lasa mody fotsiny.
r.s.