- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversTalata Volonondry : Tambazotra mpanao fanafihana rava, 15 lahy voasambotra

Talata Volonondry : Tambazotra mpanao fanafihana rava, 15 lahy voasambotra

Anisan’ireo tambazotra mpanao fanafihana nampitondra faisana iny faritra Talata Volonondry sy ny manodidina iny izy ireo, tamin’ny alàlan’ny fanafihana mitam-piadiana sy vono olona. Ny sabotsy lasa teo izy ireo no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Ambohimanga Rova. Tao an-tsenan’i Talata Volonondry izy ireo no tratry ny vela-pandrik’ireo zandary raha mbola teo am-pivoriana sy teo am-pitiliana indray izay olona hatao haza. Raha ny fanazavana azo mantsy, dia hoe mihaodihaody ao amin’ity tsena ity foana izy rehetra ireo, izay manodidina ny 30 lahy any ho any. Miezaka mitily izay olona nahazo volabe tamin’ny fivarotana entana ary mandeha manafika izany, rehefa any amin’ny làlana tsy dia misy mahita. Tsy vitan’io fanafihana mitam-piadiana io ihany anefa, fa mbola tafiditra ao anatin’ny resaka halatr’omby ihany koa ireto olona voasambotra ireto. Roa izy ireo tany am-boalohany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary no tra-tehaka. Ireto farany indray avy eo no nanondro ny namany am-polony maro ireo, ary izao niafara tamin’ny fisamborana izao. Tratra tany amin-dry zalahy ireto ny fitaovam-piadiana, fentin’izy ireo manao ny asa ratsiny ary karazana odigasy maromaro : antsy roa izay mbola misy jaboran-kena sy volon’omby, tady famatoran’omby, fitaratra roa, ary odigasy iray tavoahangy. Ny alatsinainy teo no natolotra ny Fampanoavana izy ireo ary nadoboka am-ponja avy hatrany. Fantatra anefa, fa tsy mijanona hatreo ary mbola mitohy ny fikarohana ireo naman’izy ireo ambiny. « Ny zandarimaria dia mbola manentana hatrany ny vahoaka mba hanome vaovao marim-pototra mahakasika ireo mbola hotadiavina » hoy ny vaovao

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici