- Publicité SW45 -
vendredi, octobre 18, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTalata Volonondry : Tratra ireo mpangalatra saosisy

Talata Volonondry : Tratra ireo mpangalatra saosisy

Malaza amin’ny resaka saosisy sy koba raha i Talata Volonondry. Ary mety izay indrindra  no nampanita-kevitra ireo mpanao hala-botry teny an-toerana hangalatra izany laoka matsiro izany.

Araka ny fampitam-baovan’ny zandary dia nirongotra tao ho ao izay ny resaka hala-botry tao an-tampon-tananan’i Talata Volonondry tao. Tsy mifidy alaina intsony ireo olon-dratsy fa izay sendra azy ireo dia majifa avokoa, eny fa na hatramin’ny saosisy sy ny vary ary ny vilany fandrahoana azy aza. Nandray andraikitra avy hatrany ny zandary ary nametraka paikady hisamborana ireto tontakely ireto. Ny herinandro teo, olona efatra no voasambotra, izay azo heverina fa tompon’antoka tamin’ireo halatra isan-karazany teny an-toerana. Tsy afa-nandà ny zava-dratsy vitany rahateo ireto farany satria mbola tratra tao amin’izy ireo ny porofo nitohaka tamin’ny tendany : saosisy manta 12 ladina, fotsim-bary 15 kilao ary vilany miisa efatra. Tamin’ny famotorana azy ireo dia nambarany fa eny amin’iny faritra Ambodivona iny no misy ny mpandray ireto entana halatra ireto, izay azo vinaniana avy hatrany angamba fa tsy maintsy ho « hôtely » …

Marihana hoy ny vaovao fa misy tamin’izy ireo olona voasambotra ireto no efa gadralava sy mpamerin-keloka noho izay resaka vaky trano sy fanafihana izay hatrany.

Efa nentina natolotra teo anivon’ny Fampanoavana moa ry zalahy ireto ary mibaby indray ny asa ratsy nataony.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici