Trangan-javatra mampalahelo indray no nitranga tany amin’ny faritra Talata Volonondry. Ny talata maraina lasa teo, tao amin’ny fokontany Analakely atsimo, kaominina Ambohitrolomahitsy, akory ny hagagan’ny fokonolona raha nahita ity fasana iray miorina eny amin’ny vohitr’Ambohimanandray, izay efa nibanaka tsy nisy varavarana intsony. Rehefa nojerena ny tao anatiny, dia fantatra fa tapitra notaterin’ireo mpangalatra avokoa ireo razana rehetra hitan’izy ireo. Faty lena iray efa tsy nisy lohany intsony no hany sisa tavela tao. Avy hatrany ny lehibem-pokontany sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny eny an-toerana dia nampandre ny zava-misy tamin’ireo fianakaviana tompom-pasana ; izay mipetraka eto an-drenivohitra. Fantatra arak’izany fa vatana mangatsiakana ramatoa lehibe vao nalevina herintaona lasa izay ity nisy naka ity ny lohany. Manoloana izany, mihorohoro tanteraka ny fokonolona, satria dia mirongatra izay tsy izy ny famakiana fasana tato ho ato, indrindra fa manodidina iny faritra Talata Volonondry iny. Tsy fantatra mazava hatreto izay tena anton’izany. Marihina fa, efa tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny zandary. Nandray ny andraikiny ihany koa ny fokonolona, fa tsy nitazam-potsiny ny zava-niseho. Fantatra izao fa manomboka miambina ny tanàna rehetra ny vatan-dehilahy rehefa miha maizina ny andro. Naverina nohidina ihany koa ilay fasana vaky.
Niony H.