- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Ankizy nipoahan’ny tsipoapoaka, tapaka ny rantsany roa

Talatamaty : Ankizy nipoahan’ny tsipoapoaka, tapaka ny rantsany roa

Omaly maraina tamin’ny 8 ora, teny amin’ny tànana antsoina hoe Ankadivory eny Talatamaty, ankizilahy kely iray nilalao ireny karazana tsipoapoaka ireny no niharan-doza. Tapaka ny rantsan-tanany roa ankavanana, nikiraviravy ny ankibeny. Samy taitra avokoa ny mpianakavy nahita izany. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa ireny “bougie” simba amboarina hipoaka ireny no nolalaoviny. Tsy fantatra na be loatra ny vanja tao anatiny na ahoana fa dia izao nanapaka ny rantsan-tanany izao ilay zavatra. Efa tsy lavitra intsony ny fetin’ny 26 jona ka mivoaka avokoa ny karazana kilalao vita gasy. Tsy mahatakatra ny amidy eny amin’ny magazay ny ankamaroan’ny olona.

Efa manomboka milalao ireny zavatra azo apoaka ireny amin’izao fotoana izao ny ankizy lahy. Voarara moa ny fividianana ny “petard” tena izy, ka samy manana ny azy ny rehetra. Tsy fitandremana kely fotsiny anefa dia mampidi-doza. Tokony ho mailo hatrany ny ray aman-dreny rehefa manome ny zanany zavatra holalaovina. Amin’ny fotoana tsy ampoizina mantsy no tonga ny loza.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser