- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTalatamaty: Basy Baïkal 99 sy bala anarivony tratra tao amina Karana

Talatamaty: Basy Baïkal 99 sy bala anarivony tratra tao amina Karana

BASYTeny amin’ny Fasan’ny Karana no nahitana ity karazana basy ity ary rehefa natao ny famotorana dia tonga hatreny Imerina Afovoany

Nahitana vokany ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny famefena ny fitobahan’ny fitaovam-piadiana eto amintsika amin’izao fotoana izao. Basy Baïkal miisa hatrany amin’ny 99  miaraka amina bala anarivony no tratra teny Imerianafovoany tamin’ny alatsinainy lasa teo. Tao an-tranona Karana iray no nahitana izany, araka ny loharanom-baovao. Vokany, olona telo amin’izao fotoana izao no voarohirohy amin’ity zavatra ity.

Teny amin’ny Fasan’ny Karana no niandoha ny fandehan-javatra. Nisy fiara 4X4 iray voalaza fa nitondra “pieces de rechanges”  nandalo teny an-toerana. Misy hatrany moa ireo polisy miasa tsy mijanona eny. Toa nampiahiahy azy ireo ilay fiara. Najanona ary natao ny fisavana. Sarona tao ny basy Baïkal miisa 10. Rehefa nanontanina ilay mpamily dia nanoro ny tompony ary niteny fa ana-karana mipetraka eny Talatamaty ireo. Avy hatrany dia naleha teny amin’ny toerana voatondro ary nisy ny fisavana ny trano. Tamin’izany no nahitana basy mitovy marika amin’ireo hita teny Anosizato miisa 89 miampy bala 93 250 mifanaraka aminy. Mbola tao anaty baoritra ny ankamaorany misy fonosana 250. Rehefa izany dia nisy olona iray tsy maintsy notazonina.

Raha tadidintsika tsara dia tsy vao sambany no nahitana ity karazana basy ity teny amin’ny Fasan’ny Karana afa efa imbetska ihany.  Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa alefa any amin’ny faritra Atsimo ireo basy ireo, any Toliara ny marina kokoa. Efa nisy ny olona nosamborina tamin’izany.

Antontan’isa navoakan’ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa tamin’ity taona 2013 ity dia nahatratra 223 ny basy tratran’ny polisy miampy bala 9441. Mbola ao koa anefa ny antontanisa avy any amin’ny zandary izay nanome tarehimarika milaza fa tsy latsak’izany koa ny basy mahery vaika azo. Ohatra amin’izany izay niseho teny amin’ny faritr’Antanimora izay nahitana basy mahery vaika izay fampiasan’ny mpitandro filaminana.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser