- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Dimy lahy mirongo “kalachnikov” nanafika tsena

Talatamaty : Dimy lahy mirongo “kalachnikov” nanafika tsena

Ny asabotsy hariva teo, tokony ho tamin’ny  fito ora sy sasany no tonga nanafika ny jiolahy  dimy izay samy tsy nisy nisaron-tava. Tokantrano roa, izay samy toeram-pivarotana avokoa, etsy Talatamaty no lasibatra. Tsena roa mifanakaiky izy ireo ary nitovy tanteraka ny fahavoazana : vola mitentina ariary 200.000 isaky ny toeram-pivarotana no lasan’ny jiolahy. Tsy nisy tahotra na ny kely aza teny amin’ireo olon-dratsy, mazava hoazy noho ny fitondran’izy ireo  basy mahery vaika “kalachnikov”. Ny olona anefa dia mbola maro no nifamezivezy tamin’io fotoana io. « Ny atody tsy miady amam-bato » hoy  ny fitenenana, samy namonjy ny ainy ny olona raha vao nirefotra ny basy. Nanao tifi-danitra mantsy ireo olon-dratsy mba handrahonana sy hampitahorana ny olona hotafihana sy ny olona izay mety hanavotra. Taim-bala roa no notsimponin’ny mpanao fanadihadiana teny an-toerana ny ampitson’iny. Andrandrain’ny olona ny mba handehanan’ny fanadihadiana amin’ny lalindalina kokoa ka hahafantarana ny nivoahan’ny basy sy ny bala. Tena andrasan’ny maro tokoa ny mety ho valin’ny fanontaniana toa izany satria mitobaka loatra ny fitaovam-piadiana ary na ny mpanendaka aza amin’izao fotoana dia efa mampiasa an’izany koa rehefa manatontosa ny asaratsiny…

ALEM

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser