Na dia nisy mpiambina aza ity orinasa iray teny Talatamaty ity dia mbola sahin’ireo olon-dratsy ihany no nanafika azy. Omaly vao maraim-be tokony ho tamin’ny 1ora tany ho any, jiolahy efatra, tsy misaron-tava, no niditra an-keriny tao amina orinasa iray tao Amborompotsy, Talatamaty. Raha ny fitantaran’ireo mpiambina, tonga nampandre ny mpitandro filaminana, vao tafiditra ireto jiolahy ireto dia nanambana basy ary nanontany ny toerana nisy ny vola. Tsy nisy afa-tsy mpiambina roalahy tao amin’ity orinasa ity tamin’io fotoana io ary tsy afa-nikofoka tamin’ny basy teny an-tanan’ireo jiolahy. Nofatoran’ireo olon-dratsy avy hatrany ireto mpiambina ireto ary notampenany ny vavany. Raha ny voalaza hatrany dia nanam-potoana betsaka mihitsy olon-dratsy nivezivezena tao amin’ilay toerana, satria dia naharitra ora iray sy sasany izany. Tsy nisy vola hitan’ireo jiolahy tao amin’ilay orinasa, ka izay fitaovana lafo vidy hitany no nentiny, toy ny solosaina efatra, ka nyroa no « portable », fahitalavitra, sns.
Fa mbola fanafihan-jiolahy ihany koa no nitranga tamina tanana antsoina hoe Ambohimiadana, fokontany Ampangabe, Distrika Ambohidratrimo, ny zoma alina hifoha asabotsy lasa teo. Jiolahy efatra mirongo Kalach, no niditra an-keriny tamina mpivarotra iray teny an-toerana. Vao nahita ny basy nentin’ireto olon-dratsy ny tompon-trano dia nanaiky mora, ka nanararaotra ireto jiolahy ireto. Nanam-potoana teo amin’ny antsasak’adiny teo mihitsy izy ireo raha ny vaovao voaray hatrany. Entam-barotra maromaro miaraka amin’ny vola iray hetsy ariary no lasan’ireo jiolahy ireo. Tsy nisy aloha aina nafoy, na olona naratra nandritra ireo fanafihana roa ireo. Ny fanontaniana mipetraka fotsiny dia hoe, mety ho andian-jiolahy iray ihany ve ireto ? Ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana no afaka hilaza izany.
m.L