- Publicité -
samedi, juin 7, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Jiolahy nanafika orinasa, nadoboka eny Antanimora

Talatamaty : Jiolahy nanafika orinasa, nadoboka eny Antanimora

Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireo telolahy voarohirohy ho nanafika orinasa iray teny amin’iny faritra Talatamaty iny. Raha ny fantatra dia nadoboka am-ponja avy hatrany eny Antanimora izy ireo, mandra-piandry ny fotoam-pitsaràna. Raha tsiahivina dia ny faran’ny herinanandro teo izy ireo no voasambotry ny zandary, tao Ambonilaoka ao amin’ny fokontany Tanjondava, kaominina Talatamaty, vokatry ny fiaraha-miasan’ny mponina sy ireo mpitandro filaminana. Araka ny fanazavàna azo dia orinasa iray mpanamboatra « biscuit » teny amin’iny faritra iny nidiran’ireto olon-dratsy ireto an-keriny. Niisa dimy izy ireo ary nanao saron-tava. Vola tokony handoavana karaman’ny mpiasa, mitentina eo amin’ny 61 tapitrisa ariary teo ho eo no lasan’ireo olon-dratsy ireto tamin’io fotoana io. Soa ihany anefa teo fa nisy nampandre fotoana vitsy monja talohan’ilay fanafihana ireo mpitandro filaminana ka tonga haingana teny an-toerana. « Latsaka anelanelan’ireo mpiasan’ny orin’asa nampian’ny fokonolona izay nanenjika sy ny zandary izay nanitsy làlana ny telolahy tamin’ireo mpangalatra ireo ka avy hatrany dia nibaboka. Tratra teny amin’izy ireo ny kitapo izay nahatratrarana ny ampahan’ny vola very. Ny roalahy tamin’ireo jiolahy kosa dia tafaporitsaka niaraka tamin’ny kitapo hafa mbola nisy ny vola sasany ». Araka ny vaovao hatrany dia mpiasa tao amin’ity orinasa ity ihany izy telolahy voasambotra ireto, saingy ny roa efa voaroaka ary ny iray mbola am-perinasa. Ireo tafatsoaka kosa dia efa jiolahy rain-dahiny, izay angamba nokaramaina sa naniraka azy telolahy ireto. Any am-ponja aloha izany izy telolahy mandinika ny asa ratsy nataony, mbola mitohy kosa etsy andanin’izay ny fikarohana ireo tafatsoaka ataon’ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana ny raharaha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici