- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Jiolahy roa, maty voatifitry ny zandary

Talatamaty : Jiolahy roa, maty voatifitry ny zandary

Jiolahy roa indray no tsy afa-manohy intsony ny asa ratsiny teny amin’iny faritra Talatamaty iny. Maty voatifitry ny zandary mantsy teny an-toerana ireto olon-dratsy ireto ny alarobia lasa teo. Raha ny fanazavàna azo dia mbola nahitàna basy poleta PA iray niaraka tamin’ny bala dimy tao anaty fitoerany, tany amin’ireto olon-dratsy ireto, niampy zava-maranitra sy karapanondro sandoka. Azo lazaina tokoa fa tsy mikely aina, ary tsy mandry andro tsy mandry alina ny eo anivon’ny zandariam-pirenana amin’ity ady amin’ny tsy fandriampahelamana ity, na eto an-drenivohitra izany na any amin’ny faritra ambanivolo any. Raha ireto olon-dratsy namoy ny ainy ireto izao dia teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy izy ireo no tra-tehaky ny zandary. Raha ny fanazavàna azo nandritra ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety, notanterahin’ireto mpitandro filaminana ireto teny Ankadilalana dia nikasa ny hanafika tokantrano iray tao amin’ny fokontany Firoafana, ao amin’ny kaomina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo ireto jiolahy mitam-piadiana ireto. Tonga aloha teny an-toerana anefa ny zandary avy etsy amin’ny borigady Talatamaty, rehefa nahazo loharanom-baovao, ary efa niatrana teny an-toerana sy nanome toromarika ireo mponina mba tsy hisy hivoaboaka intsony. Indreny tokoa fa tazana ireo olona mampiahiahy, ka niditra an-tsehatra avy hatrany ny zandary, nampiato azy ireto. Tsy izany anefa no nitranga fa avy hatrany dia tifitra variraraka ny setriny. Niaro tena ary namaly tifitra ireto mpitandro filaminana ka lavo tamin’izay ny roa tamin’ireo olon-dratsy. Voa teo amin’ny kibony ny iray ary niboraka mihitsy ny tsinainy, raha ny fanazavàna azo. Mbola misy naman’ireto andian-jiolahy ireto tafaporitsaka ka eo am-pikarohana izany fatratra ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Nentina avy hatrany nanaovana fitiliana teny amin’ny tranom-paty kosa ireto razana roa ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici