Afak’omaly efa hariva ihany dia nisy nanatitra teny amin’ny tranom-paty HJRA ny fatina lehilahy iray eo amin’ny 50 taona eo. Voalazan’ny vaovao fa maty teny an-dàlana izy tamin’ny folakandron’ny alatsinainy. Tsy nisy ratra hita mivantana tamin’ny tenany. Nisy “carnet” iray nentina tany amin’ny dokoterana tany aminy, ary misy anaram-panafody. Avy tamin’izany no nahafantarana ny anarany: Rakotondrabe Jules. Ao amin’io taratasy io no nahalalana fa avy eny Antanety izy, na ny marina kokoa, teny izy no nonina fahavelony. Hatramin’ny omaly hariva dia tsy mbola nisy naka ilay razana.
Articles qui pourraient vous intéresser