Niatrika ny fitsarana omaly ny raim-pianakaviana iray voarohirohy ho nanolana tovovavy iray 17 taona teny Talatamaty. Naiditra am-ponja noho izany izy io. Ny volana janoary lasa teo no niseho ity tantara ity. Noraisiny ho mpanampy an-trano ity raim-pianakaviana ity sy ny vadiny io zazavavy io. Rehefa nipetraka enina andro tao amin’izy ireo io mpanampy io no nohararaotin’ilay lehilahy. Nomen’ilay raim-pianakaviana vola hangoniny ankoatra ny karamany hividianana telefaonina araka mba nanambazany ilay mpanampy. Tra-tehak’ilay ramatoa vadiny ity fomba ratsin’ilay vadiny sy ilay mpanampiny io. Vokatr’izany, nitory ilay raim-pianakaviana ramatoa. Niaiky ny heloka natao ity farany saingy nanamafy fa tsy nanolana io zatovovavy izy. “Efa nifanarahana ny zavatra nataonay fa tsy nanery azy aho”, hoy izy niaro tena teo anatrehan’ny fitsarana. Tsy voaporofo koa anefa andanin’izany fa tsy ampy taona ilay tovovavy voalaza ho niharan’ny fanolanana. Izy rahateo nandositra ilay tokantrano niasany. Karohina izy noho izany. Notanana am-ponja ilay raim-pianakaviana miandry ny valim-pitsarana.
Yv Sam