Saika velona ny rombo teo amina mpitondra fiara roa nifandona tetsy Talatamaty, ny alatsinainy alina lasa teo. Soa ihany anefa fa tonga aloha ny mpitandro filaminana nandamina izany raha tsy izany, dia niafara tamin’ny fifamonoana. Na izany na tsy izany dia simba tanteraka ireo fiara roa nifandona, ary vehivavy iray no naratra vokatr’izay. Raha ny fantatra, dia toa hoe avy namonjy lanonana ilay mpamilin’ilay fiara iray. Nandeha mafy dia mafy izy io. Tamin’io fotoana io anefa, no nisy fiara iray nivoaka avy tamin’iny sampanana avy any Ivato iny. Tsy tana intsony araka izany ny fifandonana, ary raha ny fantatra, dia samy tsy nisy ny nisaina ny hijanona izy ireo teo amin’ny fihaonan-dàlana. Samy tsy nisy nahatsindry ny fony araka izany ireto mpamily taorian’ny loza ka rafitra ny fifamaliana teo amin’ny roa tonta. Nifarimbonan’ireo olona teo amin’ny manodidina izany ka saika raikitra ny rombo. Tamin’io fotoana io no tonga teny an-toerana ireo zandary nandamina ny toe-draharaha ary nanao ny “constat”. Ilay ramatoa naratra kosa, nentina namonjy toeram-pitsaboana haingana.
m.L