- Publicité SW45 -
mercredi, juillet 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Maty voatifitra ny zanaky ny tompon-trano

Talatamaty : Maty voatifitra ny zanaky ny tompon-trano

Niteraka fahafatesan’olona indray ny fanafihan-jiolahy teto an-drenivohitra. Tokantrano iray etsy Faralaza, fokontany iray ao amin’ny kaominina Talatamaty, no nataon’ny olon-dratsy lasibatra ny alin’ny talata teo. Raha ny fanamarihana azo teny an-toerana dia 15 lahy raha kely indrindra no isan’ireo mpanafika. Nitondra basy “kalachnikov” dimy ihany koa izy ireo, ankoatra izay tsy hitan’ny maso. Voaporofo tanteraka fa tena “kalachnikov” tokoa no nampiasaina, avy tamin’ny alàlan’ny taim-bala hita teny an-toerana ny maraina. Tovolahy iray 18 taona, zanaky ny tompon-trano no namoy ny ainy rehefa voatifitra teo amin’ny lohany. Raha araka ny fanazavana hatrany dia mba niezaka ny nanohana ny varavarana tsy hidiran’ny jiolahy. Indrisy anefa fa notifirin’izy ireo niaraka tamin’ny varavarana ary voa teo amin’ny lohany. Maty tsy tra-drano. Lasa ny vola an-tapitrisany sy ny firavaka volamena miaraka amin’ny kojakoja elektronika maro. Mbola naratra nandritr’ity fanafihana ity ihany koa ny raim-pianakaviana, izay notsatohan’ireo olon-dratsy tamin’ny zava-maranitra. Nisy iray tamin’ireo 15 lahy nanafika no nanao saron-tava. Izay aloha no fantatra hatreto. Niezaky ny nanao izay ho afany ihany ny fokonolona teo an-toerana nanao ny fanarahana ireo olon-dratsy, saingy tsy afa-nanoatra firy noho ny basy sy ny habetsahan’ireo mpanafika. Nanazava ny olona fa niantso ny laharana vonjitaitr an’ny zandary, saingy tsy nahazo . Vokatr’izany dia afaka nanarampo ireo jiolahy nanatanteraka ny asa ratsiny. Toerana iray tsy mifanalavitra amin’io akory anefa no vao nisy nanafika ihany koa tamin’ny herinandro lasa teo. Ahoana ny fomba handresena jiolahy mitondra kalach dimy izany? Na tanàna iray aza no hotetezin’ireo ny tokantrano ao aminy, sarotra ny hino fa hisy hahatohitra ireo olon-dratsy ireo, indrindra koa 15 ny isany. Ny tiana hahatongavana dia ny hoe raha mbola miparitaka toa izao ihany ny basy dia tsy ho voafehy mihitsy ny tsy fandriampahalemana eto amin’ny Nosy. Efa mba niezaka ihany ny mpanao fanadihadiana eo anivon’ny polisy mba mandeha lavitra ny amin’izay mety ho fiavian’ny basy. Farany teo ohatra dia nosamborin’izy ireo ny miaramila taloha sy vadina miaramila izay raha ny fanamarihan’ny polisy dia tena tratra ambodiomby mihitsy tamin’ny fivarotana basy. Nahazo fahafahana vonjimaika indray ireo rehefa nandalo tetsy Anosy. Toe-javatra izay tsy nanafenan’ny mpanao fanadihadiana ny hakiviany. Tokony hampierieritra, satria ny fiainana andavan’andron’ny olona no tafiditry ny asan-jiolahy. Inona ny fandrosoana azo eritreretina amin’izany?

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser