Basy poleta marika Pietro Beretta 7,65mm, niaraka tamin’ny bala no saika hamidin’ireto olona ireto. Mazava ho azy, fitaovam-piadiana tsy nisy taratasy sy tsy ara-dalàna. Tao anaty trano fisotroana iray teny amin’iny faritra Antehiroka iny no saika natao ny fifanakalozana kanjo zandary no efa niandry. Tafaroboka tao anaty harato ireto mpivarotra basy ireto.
Ny alahady lasa teo no niseho ny tantara, raha ny fampitam-baovaon’ny zandary. Ireto farany izay nisy nampandre fa misy fifanakalozana tsy milamina ao amin’io trano fisotroana iray tetsy Antehiroka io. Fantatra fa tamin’izany fa misy olona mikasa ny hivarotra basy tsy ara-dalàna ao amin’izany toerana izany no nifanarahana. Marihana fa zon’ny tsirairay ny hividy fitaovam-piadiana ara-dalàna sy nahazoana alalàna saingy misy ireo fepetra maro tsy maintsy arahana ary toeram-pivarotana ara-panjakana sy ara-dalàna ihany koa ny hividianana izany fa tsy anaty trano fisotron-toaka akory na eny amin’ny tambazotra sosialy akory.
Napetraka avy hatrany ny velam-pandrika tamin’io fotoana io ary tra-tehaka tamin’izany ny roalahy, sivily, hoy hatrany ny vaovao, niaraka tamin’ity « entana » saika hamidy. Nibaradaka anefa izy ireo fa tsy tompon’ny « entana » akory fa iraka ihany. Niainga teo indray ny famotorana ary tsy ela dia voasambotra, tsy lavitry ny tobin-tsolika iray tetsy Talatamaty ramatoa iray, izay voalaza fa naniraka azy ireo, saingy toa mbola tsy tompon’ireto fitaovam-piadiana ireto ihany. Nentina natao famotorana avy hatrany moa izy telo ireto, ary nogiazana kosa ilay basy poleta ho porofo any amin’ny fitsaràna. Marihana, raha ny fampitam-baovao hatrany fa efa tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana intsony ny iray tamin’ireto roalahy voasambotra ireto. Efa voarohirohy tamin’ireo fanafihana, fandrobàna ary halatra tao anatin’iny faritra iny mantsy ingahirainy.
Nilaza moa ny teo anivon’ny zandary fa miakatra amin’ny ambonimbony kokoa ny fanadihadiana ataon’izy ireo hatreto, mahakasika ity resaka fivarotana basy tsy ara-dalàna, hikarohana sy hitadivana izay mety ho loharano nipoiran’izany fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna izany.
m.L