Omaly alarobia, feno olona tsena teny Talatamaty tonga nijery ny fihetsik’ity lehilahy iray namono tena. Maro no nahita ny fihetsika nataony ary samy gaga. Tamin’ny voalohany, hoy ny vaovao, ny tendany no saika hodidiany tamin’ny antsy. Toa tsy nahavita izany anefa izy fa ny kibony no avy hatrany dia nolerany antsy. Nijininika ny rà ary voalazan’ireo izay nahita fa nivoaka mihitsy ny tsinainy. Tonga dia nifanome tanana ny olona nitondra azy tany amin’ny CSBII eny an-toerana. Nizaha ny zava-nisy ny tompon’andrikitry ny kaominina eny an-toerana. Fantatra fa toa tsy vita teny ny fitsaboana an’ilay lehilahy koa dia raikitra fa nalefa teny amin’ny hopitaly manara-penitra eny amin’ny Digue. Taorian’ny famonjena aina natao, voalazan’ny vaovao fa avotra soa aman-tsara ny ain’ity olona ity. Efa misokatra ny fanadihadiana ahafantarana ny antony marina nahatonga an’ity lehilahy ity hamono tena.
r.s.