Vola manodidina ny efatra hetsy sy iray tapitrisa ariary tany ho any no azon’ireto olon-dratsy tamina mpandraharaha iray voasakana am-pitaka, tetsy Talatamaty, ny alarobia lasa teo. Nandray ny andraikiny avy hatrany anefa ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Talatamaty ka tsy lasa lavitra akory dia tratra niaraka tamin’ ilay sakaosy misy vola.
Mpitondra fivavahana amina fiangonana zandriny eny amin’iny faritra Avaradrano iny ity jiolahy iray voasambotra ity, araka ny fanazavana nomen’ny Kaomandin’ity tobim-paritry ny zandary ity. « Na dia efa azo aza ilay sakaosy nisy vola sy antontan-taratasy maro an’ilay mpandraharaha, dia tsy avelanay raha tsy tratra miaraka amin’izay ihany koa ilay jiolahy iray tafaporitsaka tamin’io » hoy ny fanazavana azo.
Ny zava-nisy. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teo ho eo, raha nandalo teny amin’iny faritra Talatamaty iny ity mpandraharaha iray, niaraka tamin’ny fiarany, no nisy nanakana. Nihazakazaka sy sempotsempotra mihitsy io olona nanakana io, nilaza tamin’ilay mpamily fa hoe torana ao aloha ao ny reniny itangoronan’ny olona ary mila vonjy malaky. Mazava ho azy, vonjy aina no natao ka nivoaka ny fiara handeha hamonjy ilay olona marary ny tao anaty fiara. Tamin’izay fotoana izay anefa no notsoriahan’ity olona nanakana tao anatin’ny fotoana fohy monja ny sakaosy iray nipetraka tao anaty fiara, ary iny izy no nitsoaka. Efa nisy môtô roa niandry azy tsy lavitra teo.
Araka ny voalaza etsy ambony, dia vola aman-tapitrisany sy antontan-taratasy maromaro sarobidy no tao anatin’izany sakaosy lasan’izy ireo izany. Teo no ho eo ihany moa dia nampilaza avy hatrany ny zandary teny an-toerana ilay olona lasibatra. Ary teo no ho eo ihany dia raikitra ny fanenjehana. « Ny môtô iray nitondra ilay jiolahy nanakana nizotra nihazo an’Ivato, ilay iray nitondra ilay sakaosy kosa nihazo ny Renivohitra » hoy hatrany ny fanazavana. Tsy lasa lavitra ilay kodiaran-droa nihazo an’Ivato dia voasambotry ny zandary ireo olona roa nitaingina azy ireo. Ilay iray kosa tafatsoaka, saingy nariany teny amin’iny faritra Antanimena iny ilay sakaosin’ilay olona voatafika.
Nentina nofotorana avy hatrany moa ireto roa lahy ka tamin’izany no nahafantarana, fa mpitondra fivavahana ny iray tamin’izy ireo. Efa naverina tamin’ny tompony kosa ilay sakaosy nisy vola. Omaly ireto farany no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ary nadoboka am-ponja avy hatrany, hoy hatrany ny fampitam-baovao azo. Efa mandeha kosa ny fikarohana ilay namany.
m.L