- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversTalatamaty : Ramatoa voaolana, maty voatifitra ny vadiny

Talatamaty : Ramatoa voaolana, maty voatifitra ny vadiny

Efa tsy mifadi-trovana intsony ireo jiolahy amin’izao fotoana izao. Teo imasom-badiny no nampiharan’izy ny filàn-dratsy ity ramatoa, avy eo notifiriny ihany koa ilay rangahy vadiny. Ny alakamisy alina teo, mpivarotra iray teny Ankadivory Talamaty no notafihana jiolahy maromaro. Raha ny vaovao voaray dia nanao amboletra niditra tao an-tranon’ireto mpivady ireto ireo jiolahy. Mihevitra izy ireo tamin’io fotoana io fa nisy volabe tao amin’io mpivarotra io, raha ny voalaza hatrany, ka avy hatrany dia izay no notakiany. Tsy nisy an’izany akory anefa tao amin’io trano io ka tany amin’ity ramatoa tompon-trano no niantefa ny hatezeran’izy ireo. Nataon’izy ireo fanahy iniana teo ambany mason-drangahy vadiny mihitsy no nanolanany an-dramatoa. Totohondry tsy hivonkona amin’izany, fa dia niezaka ny hitraotra ralehilahy, hiaro am-badiny. Tsy navelan’ireo olon-dratsy nihetsika mahery anefa fa avy hatrany dia norafarafany tamin’ny basy. Vita ny nataon’izy ireo tamin’ilay ramatoa, dia nitsoaka nandositra ireo jiolahy. Nifamonjena tamin’ny ratra nahazo azy kosa ilay lehilahy, izay voan’ny bala teo amin’ny kibony. Indrisy anefa fa tsy tana intsony ny ainy, nony tonga teny amin’ny hôpitaly. Efa dila lavitra kosa ireo jiolahy vao tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana, raha ny loharanom-baovao hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser