Eo anatrehan’ny tany tsy dia milamina izao, mila mailo tanteraka ny rehetra, indrindra ireo voatery handeha na hiasa alina. Mpamily fiarakaretsaka iray no notafihana roa lahy teny amin’ny faritra Talatamaty iny, afakomaly alina, tokony ho tany amin’ny 9 ora sy sasany tany. Raha ny voalazan’ity mpamily taxi ity dia teo 67Ha ireto roa lahy ireto, izay mbola tovolahy kely, manodidina ny 16 sy 17 taona teo ho eo, no nanakana azy, toa ireny mpandeha tsotra ireny. Raikitra ny adivarotra hanatitra azy ireo teny Andranomena. Nony nihazo ny « Digue » iny, raha ny fitantaran’ity rangahy mpamily ity hatrany, dia navoak’izy ireo avy ny « matraque » sy antsy ary avy hatrany dia nokendainy sy norahonany ity mpamily ity. «Noketohan’ilay iray tamin’ny « pince » ny tanako ilany, ny iray kosa manakenda sy nanindrona antsy ny tendako sy nanatrobaka izany tamin’ny tanako ilany. Noteren’izy ireo handeha hiankandrefan-dava any aho mandrapaha-lany ny lasantsy tao anaty fiara », hoy hatrany ny fitantaran’ity mpamily ity. Nony tonga teo Talatamaty dia nahatazana ireny fiarana mpitandro ny filaminana ireny ity mpamily ity. Nitsiany sy nataony fanahy iniana nodomonina ity fiara ity. Noho ny hamafin’ny dona dia taraiky tao anatiny tao ireto olon-dratsy ireto ary noraisim-potsiny, rehefa notantarain’ity mpamily ity tamin’ireo mpitandro filaminana ny zavatra nahazo azy. Avy hatrany dia notazomina tao amin’ny borigadin’i Talamaty ireto jiolahy ireto. Nalefa notsaboina haingana teny amin’ny tobim-pahasalamana kosa ity mpamily ity ary tsy misy ahiana ny momba azy. Tsara vintana angaha ity fiarakaretsaka ity sendra ireo mpitandro filaminana, raha tsy izany saika ratsy fiafara. Raha ny fantatra mantsy, ankoatra ny vola telo alina ariary tany amin’ity mpamily ity, izay lasan’ireo jiolahy ireo, dia saika ilay fiara mihitsy no nokinendren’ireto olon-dratsy ireto.
m.L