Avy eny amin’ny faritra Anosizato iny avokoa izy ireo ary tonga manao ny asa ratsiny eny Talatamaty. Ny faramparan’ny vola janoary teo dia tambajotra mpamaky trano ikoizana nampitondra faisana tokantrano maro teny amin’iny faritra Talatamaty sy ny manodidina iny no ravan’ny avy eo anivon’ny zandary. Niaraka voasambotra avokoa, hoy ny zandary, ireo olona mpiray tendro : nanomboka tany amin’ireo jiolahy mpiditra an-keriny an-tranon’olona ka hatrany amin’ireo olona mivelona amin’ny hatsembihan’ny hafa amin’ny alalan’ny fandraisana sy famarotana indray ireo entana halatra.
Niantomboka tamin’ny fahatratrarana ambodiomby ireo olon-dratsy ny alin’ny 28 janoary lasa teo, teo Ankadivory Talatamaty ny raharaha. Nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamin’ireo roalahy mantsy ny fokonolona. Roalahy izay tsy mponina velively eny an-tanana mihitsy. Teo am-pisokirana vavahadin’olona mihitsy izy ireo no noraisim-potsiny. Nentina notanana avy hatrany ho amin’ny famotorana izy ireo ka tany indray no nibaboan’izy ireo fa tsy vao io no tokantrano efa novakian’izy ireo. Mitily ireo trano tsy misy olona izy ireo ka tongavany rehefa alina ny andro. Ankoatr’izay nambaran’izy ireo fa efa misy mandray ireo entana azony. Tsara marihana fa mitovy ny vesatra hiampangàna sy ny sazy azon’ireo mpangalatra sy ny mpandray halatra araka ny voalazan’ny fehezan-dalàna famaizana. Araka izany, nosamborina ihany koa ireto olona ireto. Nahatratra efatra araka izany ireo mpamaky trano voapaingotra, ary misy vehivavy amin’izy ireo. Natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ny alatsinainy teo moa ireo tambazotrana mpamaky trano ireto. .
m.L


